|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mivarina
Fototeny  2 varina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Midina mikorisa: Mivarina any Ikopa ity sakelidrano ity
9 Midina, mivalangidina: Nivarina any avara-tanàna any ilay mpangalatra
10 Mianjera dia lasa mikodiadia, mikodingy: Voafingana izy dia nivarina tany an-tevana
11 Mietry voninahitra na laharana: Nivarina ho miaramila tsotra ilay manamboninahitra noho ny hadisoana bevava nataony [1.1]
Fikambanana  12  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how mivarina
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 14  mivarìna
Fototeny  15 varina
Sokajin-teny  16  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mivarina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  17 miravina, mivarìna, mivarina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/06