Teny iditra mitsahatra (tsahatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mijanona, miato: Handeha amin' izay izahay fa efa mitsahatra ny orana
Tsy manao... intsony: Raha vao nitsaha-niteny izy dia nirefodrefotra ny tehaka
Miala sasatra, maka aina: Sasatraizy ka nitsahatra teo ambody hazo. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Cesser, s’arrêter, se reposer
Figuré: se retirer sans rien obtenir [1.3]
Ohatra 
1Baikoina hijanona izy dia mitsahatra. [2.117]
2Voangory voapaika, ka mitsaha-misamonona. [2.558]
3hoy indray ity zazalahy tsy mitsahatra mitazana any ivelany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsahatra, mitsaha-
Ny lasa : nitsahatra, nitsaha-
Ny hoavy : hitsahatra, hitsaha-
Filaza mandidy : mitsahara
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/04