Teny iditra mikezaka (kezaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihakely, mihamifintina, mihamanify
Manao araka izay azo atao, manao izay tratry ny aina, tsy mikely soroka: Nikezaka tamin' ny fianarana izy ka tsy nahagaga raha nandroso fatratra
Mitovy hevitra: fola-damosina ~ manao ain-tsy ho zavatra ~ manao amboa ditsika ~ manao ampinga tratra ~ manao an' aina ~ manao an-ditra ~ manao anjolofo ~ manao botraika ~ manao kely andilana ~ manao lazo be ~ manao sakafo ambany foitra ~ manao salaka fohy rambo ~ manao valangitrika ~ manao vy very ny aina ~ mandany mondron-kery ~ mandany ron-doha ~ may volon' orona ~ may volon-tratra ~ miady fo ~ miady fo aman' aina ~ mialakabontana ~ mialakaforo ~ miantotomaty ~ miezaka ~ mikaozatra ~ mikely aina ~ mikikitra ~ mikiribiby ~ mikiry ~ mikofo ~ mikoko-maty ~ mikokotra ~ mikorambemby ~ milofika ~ milofo ~ milozoka ~ mimaso ~ mimokimoky ~ mimokitra ~ miokitra ~ miongo-bolo ~ mirofotra ~ misikim-ponitra ~ mivaky tratra ~ tsy manamohamo ~ tsy manary karama ~ tsy mandala aina ~ tsy mandry andro tsy mandry alina ~ tsy miala vehana ~ tsy mikely soroka ~ tsy mikoso-maso ~ tsy misatry fanahy ~ tsy mitandro hasasarana ~ tsy mitarain-tanana ompaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay être rétréci, se rétrécir, s'amincir
Figuré: s'appliquer à, faire son possible [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mikezaka
Ny lasa : nikezaka
Ny hoavy : hikezaka
Filaza mandidy : mikezaha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20