Teny iditra menatra (henatra)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Mahatsiaro tena ho afa-baraka fa nahavita asa na nampiseho toetra tsy mendrika: Menatry ny lainga nataony izy
Matahotahotra miseho eo imason' olona: Menatra aho mamakivaky ireo olona ampolony maro tsy manan-kojerena afa-tsy izaho
Mitovy hevitra: kaonitra ~ mihasihasy ~ misafosirana ~ saikatra ~ sakodiavatra ~ saro-kenatra ~ somaingisain gy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Shamed; bashful [1.2, 1.7]
 Disgraced, sulky [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Avoir honte, être timide [1.3, 1.8]
 être confus, rougir, être honteux, avoir à rougir [1.3]
  [Sakalava-Mayotte] [ meñatra ] être timide, avoir honte [1.405]
Ohatra 
1fa hianao mila tsy mahazo no menatra olona [2.131]
2Razaimalala kosa toa menatra, ka tsy nahateny intsony [2.324]
3nahatsiaro menatra izany izahay [2.472]
4menatra anao aho (j’ai honte de me présenter devant vous; j’ai honte de vous) [1.3]
5tsy mahalala menatra izy (il ne sait pas avoir honte, il est sans pudeur) [1.3]
6aleo maty toy izay menatra (plutôt mourir que d’avoir à rougir) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : menatra, menatry
Ny lasa : menatra
Ny hoavy : ho menatra
Filaza mandidy : menara
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/13