|
|
|
|

Teny iditra 1  maty
Fototeny  2 faty
Sokajin-teny  3  matoanteny mpamaritra
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  11 Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo
12 Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany
13 Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra
14 Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro
15 Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy
16 Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany
17 Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany
18 Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  19 dead [1.2, 1.7]
20 gone out as a lamp, or a fire [1.2]
21 paralyzed (of the limbs) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  22 mort [1.3#437, 1.8, 1.196]
23 paralysé (se dit des membres du corps) [1.8]
24 paralysé [1.196]
Ohatra  25  Tsy te-ho faty aho! [2.529#87]
26  voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [2.293]
27  Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [2.324]
28  Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [2.4#7]
29  Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470#172]
Mpanahaka  30  dangy, 31  diso, 32  fohatra, 33  jedana, 34  jihitra, 35  jingy, 36  lasa, 37  lasa, 38  lasan, 39  lasan, 40  latsaka, 41  mandry, 42  manjahana, 43  miamboho, 44  miondambato, 45  mitsitra, 46  modimandry, 47  nivoaka, 48  nody, 49  rabevoina, 50  rabevoina, 51  ratompokolahy, 52  ratompokolahy, 53  ratompokovavy, 54  ratompokovavy, 55  tapitra, 56  tsy, 57  tsy
Fikambanana  58  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 142 misy ny teny how maty
Ohabolana  59  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  maty, 60 mità, mita, 61 tamy

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15