Teny iditra manongotra (ongotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manala hatramin' ny fakany: Nisy nanongotra lahy ilay zanakazo namboleko [1.1]
 Manala amin'izay toerana nitsatohany [1.13]
Fanazavàna teny anglisy To pluck up by the roots. [1.2]
 To pull up by the roots [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Arracher, déraciner [1.8]
 Arracher [1.13]
Ohatra Rahefa tonga izay fotoana izay, I Dada sy Neny, na izy efa-mianaka, no milahatra, miondrika, manongotra, manifikifika ny foto-boanjo hanitsanana ny tany manaraka, dia mampandry azy amin' ny tany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manongotra
Ny lasa : nanongotra
Ny hoavy : hanongotra
Filaza mandidy : manongota
Sary 

Teny iditra manongotra (tongotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandray amin' ny tongotra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Saisir par le pied [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manongotra
Ny lasa : nanongotra
Ny hoavy : hanongotra
Filaza mandidy : manongora

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/10