|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  manombana
Fototeny  2 tombana
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 Enti-milaza ny orana izay miseho ho toy ny efa ho avy amin' ny tselatselatra hita ery amin' ny vodilanitra lavitra [1.1]
Ohatra  5  Tselatra tahaka ny lanitra manombana amin' ny fahavaratra sisa atopan' ny afon-tseranana, hahalalana ny misy an' i Toamasina. [2.471#45]

Teny iditra (2/3) 6  manombana
Fototeny  7 tombana
Sokajin-teny  8  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  13 Manondrotra ambony ny vidin-javatra iray mba hahazoana tombony ihany na efa andatsahana aza eo amin' ny ady varotra: Tsy manombana mihitsy aho fa ariary roa monja no azoko amin' izany
14 Maminavina: Tsy haiko ny manambana ny fatiantoka nihatra tamiko tamin' ny nahamay ny fiarakodiako sy ny entana tao anatiny
15 Manao ho zavatra: Mahay manombana ny soa natao azy io tovolahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16 to appraise, to estimate [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  17 évaluer, apprécier [1.8]

Teny iditra (3/3) 18  manombàna
Fototeny  19 tombana
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manombana [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  manombàna, manombana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14