|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manomana
Fototeny  2 omana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manao vonona mialoha izay ilaina amin' ny fanatanterahana zavatra iray: Manomana ny fetin' ny reny Isambilo sy na anabaviny ~ Manomana fiadiana ny fahavalo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 to decorate, to make ready to go, to put in readiness. [1.2#459]
10 to prepare, to make ready [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 préparer, faire les préparatifs [1.3#461, 1.8]
12 parer [1.3#461]
Ohatra  13  manomana ny tsihy sy ny lovia kosa i Mora [2.442#22]
14  nanomana tafika ny Fanjakana Frantsay [2.588#152]
15  manomana fiadiana ny fanjakana (Le gouvernement prépare des armes) [1.3#461]

Teny iditra (2/2) 16  manomàna
Fototeny  17 omana
Sokajin-teny  18  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manomana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Ohatra  19  Ary manomàna soavaly hitaingenan' i Paoly koa, hitondranareo azy soa aman-tsara ho any amin' i Félix governora [2.996#51.23.24]

Fivaditsoratra  manomana, manomàna

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/15