|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  manidina
Fototeny  2 idina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [mañidiña] [Antambahoaka] mandraraka rano [1.78]
9 [mañidiña] [Sihanaka] mandrotsaka rano, manondraka [1.78]
10 Manao izay hidinana, mampidina, mandrotsaka: Manidina kafe ao anaty kaopy
11 Mandatsaka ao anaty lasitra: Manidina lakolosy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to pour out, to take down; to cast [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  13 Faire descendre, verser dans, couler dans un moule [1.3]

Teny iditra (2/3) 14  manidina
Fototeny  15 sidina
Sokajin-teny  16  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
17  Ny ankehitriny :
18  Ny lasa :
19  Ny hoavy :
20  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  21 Mihetsika na mihantona eny amin' ny rivotra amin' ny alalan' ny elatra: Manidina ambony ny papango
22 Mandeha eny amin' ny habakabaka: Nahita aeroplanina nanidina aho tamjn' ny 7 ora teo ho eo
23 Mihantona, mivoivoy eny amin' ny rivotra: Aza kopahina mafy io fandiavana io fa manidina ny vovoka
24 Mandeha na mihazakazaka haingana dia haingana: Manidina izany raha soavaly
25 Enti-milaza olona -- indrindra ny vehivavy -- mandehandeha, tsy tsara fitondran-tena: Ho lany zara marina io tovovavy fatra-panidina io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  26 to fly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 voler dans l'air [1.8]
Ohatra  28  Ny voro-manidina dia maro karazana sady betsaka tokoa [1.38#34]
Fikambanana  29  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny how manidina
Ohabolana  30  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/3) 31  manidìna
Sokajin-teny  32  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manidina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  manidina, manidìna, 33 miandany, 34 midanina

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/13