|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 manda |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
6 Rindrim-bato na rindrim-by, na tamboho avo tsotra, manodidina toerana iray tiana harovana amin' ny fahavalo: Tsy laitra nanihina ilay manda
7 Olona mpiaro: Izy no mandan' ny madinika [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 fortification, rempart
9 protecteur [1.3] |
| Ohatra |
10 Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.
[2.996]
11 raisin' ny nitety aloha ny tohatra hiakarana ny manda. [2.270#60] |
| Fikambanana | 12 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny how manda |
| Teny iditra (2/2) | 13 mandà |
| Fototeny | 14 la |
| Sokajin-teny | 15 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
20 [Antesaka] tsy manaiky
[1.78] 21 Milaza mafy fa tsy marina; tsy manaiky fa marina; mitsipaka zavatra iray izay lazaina fa diso: Mandà izany fanombotombohanao ahy izany aho 22 Tsy mandray: Mandà ny fahagagana izy 23 Milaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka: Izaho manda an' i Satana 24 Mivadika: Mandà ny teny napetrany izy. [1.1] 25 (matoanteny transitifa, endrika aktiva) Tsy afaka NANDA izy, fa tsy azo NOLAVINA mihitsy ny porofo [1.10] 26 milaza mafy fa tsy marina; tsy manaiky fa marina; mitsipaka zavatra iray izay lazaina fa diso: mandà izany fanombotombohanao ahy izany aho 27 tsy mandray: mandà ny fahagagana izy 28 milaza ampahibemaso fa tsy mankasitraka: izaho mandà any Satana 29 mivadika: mandà ny teny napetrany izy [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
30 to refuse; to deny
[1.2, 1.7] 31 to reject [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
32 refuser
[1.3, 1.5, 1.8, 1.6, 1.14] 33 nier [1.3, 1.5, 1.8, 1.6] 34 désapprouver, renier, rejeter, méconnaître. Nanda ny teny napetrany izy: il a renié ses promesses. Nanda ny rainy aman-dreniny izy: il a rejeté ses parents [1.3] |
| Ohatra |
35 manda famaizana ny mpanota;
[2.996]
|
| Fikambanana | 36 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny how manda |
| Ohabolana | 37 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | mandà, manda |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14 |
|