|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  manadala
Fototeny  2 adala
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 mandrebireby, mamitaka: Olona manadala anao fotsiny iny fa aza miaraka amin' iny intsony
9 manelingelina, mahasosotra: Tsy mitsahatra manadala azy amin' ny raharahany ny zafikeliny
10 mahavery loha, mamily saina: Tsy avelany, hono, iny zazalahy iny fa nanadala ny zanany
11 manolikoly olona hahazoana izay tadiavina: Tratra nanadala ny lehiben' ny fokontany izy ka nosazina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 To befool, to confound, to perplex, to infatuate. [1.2]
13 to make a fool of, to deceive; to cause mental anguish [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 tromper, faire perdre la tête [1.3#2, 1.8]
15 Séduire, duper, se jouer, importuner, embarrasser [1.3]
Ohatra  16  manadala ahy mihitsy ianao! [2.528#]
17  Ela mihitsy vao hita ilay afokasoka manadala! [1.214#]
18  nanadala azy ny hevitra natoron'ny sakaizany azy (Les conseils de son ami l'ont trompé, lui ont fait perdre la tête) [1.3#2]
19  manadala ahy ireto ankizy mitabataba ireto (Ces enfants tapageurs m'importunent, me font perdre la tête) [1.3#2]
Fikambanana  20  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how manadala
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 22  manadalà
Fototeny  23 adala
Sokajin-teny  24  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manadala [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  manadalà, manadala

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14