Teny iditra kobonina (kobona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Rakofana aminy itandremana, afenina ao anaty lamba na akanjo: Nokoboniny tao anaty lambany ilay lefompohy ka tsy aisy nahita
Tazonina ao am-po, tsy lazalazaina amin' olona: Nokoboniny tao ny alahelony ka nony ela nanimba ny sainy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on couvre soigneusement, qu’on cache dans son vêtement: Nokoboniny tao anatin’ ny lambany ny akoho, fa naneno tampoka (Il cachait sous son lamba un poulet, qui s’est mis tout à coup à crier) [1.3]
Ohatra Tamin' ny voalohany, tsaroako ny fijaliany, ny hatezerany koboniny ao am-pony, hita tamin' ny tarehiny koa ny dian' ny fihambatany nentiny. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kobonina, koboniko, koboninao, koboniny, kobonintsika, koboninay, koboninareo, kobonin', kobonin-, kobonim-, koboni-
Ny lasa : nokobonina, nokoboniko, nokoboninao, nokoboniny, nokobonintsika, nokoboninay, nokoboninareo, nokobonin', nokobonin-, nokobonim-, nokoboni-
Ny hoavy : hokobonina, hokoboniko, hokoboninao, hokoboniny, hokobonintsika, hokoboninay, hokoboninareo, hokobonin', hokobonin-, hokobonim-, hokoboni-
Filaza mandidy : kobony

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/28