Teny iditra | hoe | ||||
Sokajin-teny | tambinteny | ||||
Fanazavàna teny malagasy | Toy izao, sahala amin' izao (fanao eo alohan' ny tenin' olona iray izay averina araka ny nitenenany azy): Dia niteny indrindra Andrianampoinimerina nanao hoe "ny ranomasina no valamparihiko" ~ Lazao aminy hoe "Tonga i dadanay" ~ Mba tiako ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malala ò! Teny kely entina miangavy na mandidy, ary mety hifono hevitra fihantsiana na fahatezerana arakaraka ny feo ilazana azy: Mitsambikina hoe hahitana ny fahaizan' Ingahy! ~ Aiza hoe mba hojereko Marina ve? Namidiny hoe ny tranony tetsy Ambondrona [1.1] | ||||
Fanazavàna teny anglisy | Used before quotations [1.7] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Ainsi, comme ceci, dans ces termes, de cette manière, ainsi conçu, dit ainsi Mot explétif servant à donner la forme polie ou respectueuse à l'impératif, et pouvant indiquer parfois le défi, la colère, selon le contexte ou le ton Quoi? est-il vrai? [1.3] | ||||
Se met devant les citations [1.8] | |||||
Kamban-teny |
| ||||
Teny iditra | hoe (hoy) | ||||
Sokajin-teny | filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana hoy | ||||
Fanazavàna teny frantsay | Impératif de hoy [1.3] | ||||
Teny iditra | hoe | ||||
Sokajin-teny | anarana na matoanteny | ||||
Fanazavàna teny anglisy | Angady kely mitarehina famaky ka tsy atsatoka fa akapoka (to hoe) miasa tany amin' ny hoe [1.17] | ||||
Fivaditsoratra | ehô, hoe, ohe |
Nohavaozina tamin' ny 2023/10/01 |