Teny iditra fodiana (ody)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiverenana any an-tanàna na any an-trano onenana: Amin' ny efatra no fodian' ny mpianatra madinika
Fisehoana ho manao zavatra, asa, na ho manana toetra toy izao na toy izao eo imason' ny olona nefa tsy marina: Fodiana marary no nahafahany tamin' ny sazy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A returning ; a pretense [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Là où l’on retourne, domicile où l’on revient habituellement
Le retour, là où l’on revient, chez qui l’on retourne, l’action de faire semblant de, de devenir, de changer [1.3]
 Lieu où l'on retourne, action de retourner [1.8]
Ohatra 
1Mbola voatery hanela ny fodiana ny Governoran' Ambositra. [2.270]
2Tsy maintsy nomaniko koa ny fodiana, na ho afaka na tsy ho afaka. [2.356]
Ohabolana 

Teny iditra fodiana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] Fitokanana [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/16