|
|
|
|

Teny iditra 1  fitafy
Fototeny  2 tafy
Sokajin-teny  3  anarana na mpamaritra
Haiendriteny 
4  Tsotra :
5  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  6 Fomba entina mitafy, izany hoe manisy lamba manarona ny tena: Somary agoragora no fitafin'ny vehivavy sasany lamba rehefa mianjaika. [1.1]
7 Azo tafina: Tsy mba fitafy itony lamba itony, ry Bozy a! [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  8 état de celui qui est vêtu
9 manière de se vêtir [1.3]
Ohatra  10  ny vahiny amin' Iarivo ihany no tsy ampy fitafy toy izany. [2.470#150]
11  ny sasany nividy lamba soga hatao fitafy na nanapaka hatao akanjo. [2.356#14]
12  Tsy mahay mahita olona hafahafa fomba fitafy, ka tandremana ny fitafy. [2.245#98]
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  14 fatify, fitafy

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/28