|
|
|
|

Teny iditra 1  fahafinaretana
Fototeny  2 finaritra
Sokajin-teny  3  anarana
Haiendriteny 
4  Tsotra :
5  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  6 Hafaliana: Akory ny fahafinaretako namaky ny taratasinareo, ry Dada sy Neny
7 Hasambarana, fahasambarana, fahatretrehana: Ao anatin' ny fifankatiavana ihany no misy ny fahafinaretana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 pleasure, happiness [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 le plaisir, la joie, l'agrément, le bonheur [1.3]
10 plaisir, bonheur [1.8]
Ohatra  11  Mba nisy setriny ve izany rehetra izany tamin' ny fahafinaretana na fampiadanam-batana teo aminay? [2.472#21]
12  Nanomboka teo dia arakaraka ny nitomboan' ny fahafinaretako amin' ny fiarahana amin' i Lanto no nitomboan' ny sorisoriko rahefa voatery hitafa amin' i Masy. [2.471#22]
Voambolana  13  Ontam-po
Tovy hevitra  14 hafinaretana
Sary 
15 

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22