Teny iditra | Avaradrano | ||||||
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany) | ||||||
Fanazavàna teny malagasy | Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia (1) Avaradrano, (2) Vakinisisaony, (3) Marovatana, (4) Ambodirano, (5) Vonizongo, (6) Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: (a) Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; (b) Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; (d) Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy... [1.10] | ||||||
Fanazavàna teny frantsay | Le plus célèbre des six territoires de l' Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d' Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné. [1.11] | ||||||
Ohatra |
| ||||||
Voambolana | Haitoetany: firenena, foko | ||||||
Mpanahaka | Imerina enin-toko ~ Vakinisisaony ~ Marovatana ~ Ambodirano ~ Vonizongo ~ Vakinankaratra | ||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny Avaradrano io | ||||||
Fangi-bolantany | -19, 47.5 | ||||||
Nohavaozina tamin' ny 2024/03/19 |