Teny iditra |
anjoro firarazana
|
Singan-teny | an-joro ; firarazana |
Sokajin-teny | kambanteny
|
Fanazavàna teny malagasy | Ny atao hoe anjoro na zoro firarazana dia ny zoron-trano avaratra atsinanana; mitodika any amin' io toerana io ny raim-pianakaviana ntaolo taloha amin' ny tsinan' ny alahamady ka mitanisanisa firarian-tsoa ho an' ny taranany, fa io no taombaovao tamin' ny Malagasy fahiny [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | [ anjorofirarazana ] [rary, chanting, prayers.] The north-east corner of a house where the rary is sung and the sorona is usually made. [1.2]
|
Ohatra | Dia nandohalika nanatrika teo anjorofirarazana izy ka nivavaka hoe : Eny Andriamanitra, Andriananahary!
[2.588]
|
Tsipelina hafa |
Mpanahaka |
zoro firarazana |
|