Teny iditra vinany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vava fidiran' ny renirano amin' ny ony, na ny ony amin' ny ranomasina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The confluence of two rivers; the estuary of a river at a lake or at the sea [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Confluent de deux rivières; embouchure ou estuaire d'un fleuve [1.8]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 

Teny iditra vinany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Eritreritra na tsindrimandry amin' ny mbola ho avy, tombantombana eo ho eo: Vinany ara-keviny fotsiny ante no ilazako izany e!
Nofinofy sy hevi-dravina kitoatoa na anjoanjo: Ialahy ity koa dia manao vinany mihitsy!
(fiteny tsy mihaja) Zavatra na teti-dratsy, hasomparana: Tandremo sao manao vinany aty aminay aty a!) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A guess, a conjecture; a prediction [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Conjecture; prédiction [1.3, 1.8]
 Divination, prophétie
Action d'estimer, de calculer peu à près [1.3]
Ohatra Tsy dia fantatro tsara akory izay nolazainy, fa araka ny vinaniko dia toa izany no nataony [2.471]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : vinany, vinaniko, vinaninao, vinaniny, vinanintsika, vinaninay, vinaninareo, vinanin', vinanin-, vinanim-
Tovonana : -binany, -binaniko, -binaninao, -binaniny, -binanintsika, -binaninay, -binaninareo, -binanin', -binanin-, -binanim-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Teny iditra vinany (vina)
Sokajin-teny anarana vina sy mpisolo
Fanazavàna teny anglisy Its probability [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Sa probabilité [3.1]

Teny iditra Vinany
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -22.1166667, 47.4833333
-21.75, 46.7
-21.5333333, 46.4
-20.5833333, 46.6333333
-20.2, 46.9
-19.6166667, 46.4833333
-19.5833333, 46.65
-18.1166667, 49.0333333

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/23