Teny iditra loholona (loha, olona)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao... [1.10]
 Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana [1.1]
 Fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Patriarche, sages du village, notables
Sénateur [1.13]
Ohatra 
1Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. [2.588]
2Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. [2.113]
3Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. [2.895]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30