Teny iditra mahaleo (leo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manan-kery hahatohitra, afaka handresy: Tsy mahaleo azy aho ka hany heriko mangina
Mahavita, afaka hisahana, hikarakara: Mahaleo tsara ny fitondrana ny ankizy ilay mpampianatra vaovao
Mahatanty, mahazaka: Olona tsy mba mahaleo ny esoeso sy ny fanarabiana izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To equal, to match, to parallel, to manage [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Avoir assez de force pour vaincre, pour résister, pour exécuter. Tsy mahaleo azy hianao (Vous ne sauriez l'emporter sur lui) ~ Mahaleo tsara ny fitondrana ireo ankizy kamboty ireo izy (Il est dévoué pour s'occuper de ces orphelins) ~ Mahaleo ny fahoriana izy (Il sait supporter le malheur) [1.3]
Fanazavàna teny anglisy To be able to support; to be able to overcome [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être capable de vaincre; être capable de supporter [1.8]
Ohatra 
1Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana! [2.296]
2Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; [2.996]
3Tsy zaza miankina fa lehilahy mahaleo-tena no tiany. [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mahaleo
Ny lasa : nahaleo
Ny hoavy : hahaleo
Filaza mandidy : mahaleova
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra Mahaleo (leo)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Music band formed in 1972 by seven musicians: Dama, Dadah, Bekoto, Fafa, Nono, Charles, Raoul. [3.1]
Voambolana 
Habaka Mahaleo: un film de Paes et Rajaonarivelo (http://www.mahaleo.com/)
Sary 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16