Teny iditra tototra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Nasiana zavatra ka feno tanteraka: Efa tototra ve ilay lavaka ao atsimontrano?
Feno, rakotra, lelika: Tototry ny antsanga ny tanimbarinareo ~ Tototry ny alahelo ~ Tototry ny voninahitra
Poritra: Tototry ny fanompoana ny vahoaka ka mimenomenona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Filled; covered with earth [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Comblé, couvert de terre [1.8]
Ohatra 
1Tototra tsikelikely teny ny saha rehetra. [2.472]
2Izany no mahatonga ny tanimbary ho tototra atsanga. [2.117]
Haiendriteny 
Sampanteny 
Ohabolana 

Teny iditra totòtra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanetsiketsehana ny foly mba hampitovy tantana azy hatrany tsy misy madilana; filefahan' ny hozatra. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Secousses qu’on fait subir au fil pour l’égaliser
Figuré: détente des nerfs [1.3]
Sampanteny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/24