Teny iditra raorao (rao)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Toetran' ny zavatra misy marokoroko ny ivohony, hasaosao, harokoroko
Adiady, fifandirana, tsy fifanarahana: Hialako io raharaha io fa toa be raorao be ihany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Roughness [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Rugosité [1.8]
Ohatra 
1Omenay malalaka, omenay madiodio, omenay mangarangarana, tsy: misy raorao, tsy misy tohany, tsy misy tsikalany, tsy misy tongotra hitsipaka, tsy misy tanana handrangotra; [2.346]
2Raha mba nahay nanombana ny tena vidin' i Masy marina aho, fa tsy nanakalo azy tamin' ny akanga tsara soratra, dia angamba ho nilamina tsy nisy raorao ny fiainako manontolo. [2.471]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra raorao
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sakalava] Fofon-drivotra mangatsiaka alohan' ny orana [1.1]
Voambolana 
Renianarana rivotra
Anarana iray reny alapoie, ambarao, ampalo, ampela, animbaratra, anina, anindambo, anintafara, fandohotse, radraty, rambondanitra, rea, sikilaonina, sobe, tadio, tafiodrivotra, tafiotra, tsitoly, varatraza, variona

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/19