Teny iditra | mivoho-mamba | |
Singan-teny | mivoho ; mamba | |
Sokajin-teny | kambanteny | |
Fanazavàna teny malagasy | Tsy manaiky ny mpitondra; tsy manaiky tsy mandà, na mihenahena amin' ny fanoavana ny didy aman-dalàna. [1.1] | |
Fanazavàna teny frantsay | Ceux qui refusent obéissance au gouvernement sont rugueux comme le dos du caïman. On employait aussi cette expression : rugueux comme le dos du caïman, pour dire que la peau était dure et rugueuse. [2.415] | |
Ohatra | Radama Manjaka namory ny anivon' ny riaka, sy nanao salaka fohy, sy namory ny ambani-lanitra, izay tsy mirokaroka, ary izay tsy mivoho-mamba, sy izay manoa sy manasina, ary mifaly ny Manjaka
[2.857] | |
Nohavaozina tamin' ny 2024/03/03 |