|
|
|
|

Teny iditra1  mandre
Fototeny  2  re
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  Mahalala fisiana feon-javatra iray amin' ny alalan' ny sofina: Tsy mandre na inona na inona ny sofiko fadonton' ny kininina
5  Mahafantatra: Vao izao aho no nandre fa narary ny zanakao
6  Mahatsiaro: Tsy mandre maharary rehefa mitsindrona amin' itỳ fanafody
7  Teny mifandray hevitra (Mihaino): mitaino, manongilan-tsofina, mampandry sofina, mihaino vilana, mitaino ilany, tailam-pandrenesana
8  Teny mifandray hevitra (Tsy mihaino): manentsin-tadiny, mamono sofina, manary sioka, manao henoy izany ry hazon-damosiko!, mafy sofina, mafy tadiny, lalodalovana, donto sofina, domelina, karenina, marenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9  to hear; to perceive by hearing, touch, taste or smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  entendre, apprendre, sentir [1.3]
11  entendre; apprendre; sentir par le toucher, le goût, ou l'odorat [1.8]
Ohatra  12  Tsy mandre mihitsy anie aho e! [2.117#]
13  Tsy mandre ny ketsoketso-borona anie! [2.69#]
14  Faly aho raha mandre izany teninareo izany. [2.298#]
Voambolana  15  Haiaina
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  20  mahare
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25