Teny iditra manarona (sarona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manafina: Misy rahona manarona ny masoandro
Mandrakotra: Manarona harona ~ Manarona ny hadisoan' ny sakaizany izy
Manodidina: Nanarona ny fahavalo ny miaramilantsika
Mitovy hevitra: manakona ~ mandrakotra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To cover; to conceal [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Couvrir; cacher [1.8]
Ohatra 
1Kasikety fotsy no teny an-dohany ka manarona ilay lelakomby eo an-tampon-kandriny; [2.470]
2Haizina azo tsapana no manarona ny ranomasina sy izay ao aminy. [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manarona
Ny lasa : nanarona
Ny hoavy : hanarona
Filaza mandidy : manaròna
Kamban-teny 

Teny iditra manaròna (sarona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manarona [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/17