Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka
Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita
Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia
Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy
Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Strong [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fort, puissant [1.8]
Ohatra 
1Mahery fofona sady matsatso! [2.471]
2Tena mahery izy ity Rangahy! [2.606]
3Dia ny voalavo izany no mahery! [2.69]
4Na zovy mahery, dia vaky barara; [1.240]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mahery
Ny lasa : nahery
Ny hoavy : hahery
Filaza mandidy : mahereza
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Sangy mahery (Razakarivony Arthur)
Ohabolana 

Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] mamerina [1.78]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mahery
Ny lasa : nahery
Ny hoavy : hahery
Filaza mandidy : mahereza

Teny iditra MAHERY
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Madagascar Health and Environmental Research [3.1]
Mpanahaka  Fanafohezan-teny
Habaka https://www.hsph.harvard.edu/christopher-golden/mahery/

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11