Teny iditra Madagasikara
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Anglisy sy frantsay "Madagascar": izany no nogasiana hoe Madagasikara. Araka izany, ny fanononana sy fanoratana azy dia tokony hatao hoe Madagaskar. Anefa nony anaovana tononkalo izy hita fa mety ny asiana ny litera I eo amin' ny vakiteny fahefatra sy A eo amin' ny farany, ka dia tonga hoe Madagasikara izy. [1.10]
Ohatra 
1Marina ve ny Iroe : Radama, Mpanjakan' i Madagasikara? [2.113]
2Nisokatra teny Ankatso ny Oniversiten' i Madagasikara. [2.356]
3Noho i Madagasikara tsy toy ny andro taloha intsony va? [2.270]
Voambolana 
Tovy hevitra bokiny ~ dago
Kamban-teny 
Lohateny Lakroan' i Madagasikara
Madagasikara
Madagasikara (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Ny Daty Malaza (Rabary Jean-Joseph)
Ny Fiangonana eo amin'ny Fiaraha-monina eto Madagasikara
Tantaran' i Madagasikara (Ralaitafikia)
Tantaran' i Madagasikara isam-paritra
Tsipelina hafa 
Mpanahaka  Bokiny ~ Dago ~ Kiera-be ~ Madagascar ~ Madagaskar
  Madagasikara: Kôntinantan' ny Malagasy
Sary 

Teny iditra madagasikara
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Du nom de l'île de Madagascar dont cette plante pourtant récemment introduite est curieusement devenue le symbole, sans doute en raison de l'association d'idées entre « Île rouge » et bractées rouges. La feuille pliée en deux a la forme de l'île. Poinsettia pulcherrima (Willd. ex Klotzsch) Graham (Euphorbiaceae) ou Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch (Euphorbiaceae). Arbuste décoratif originaire du Mexique, cultivé dans les jardins et se reproduisant facilement par boutures. Il a été introduit à Tananarive en 1923 par Edmond François, alors Directeur des Parcs et Jardins. Un timbre malgache a reproduit cette plante et ses grandes bractées rouges sont devenues un motif habituel des brodeuses tananariviennes. [1.196]
Anarana siantifika Euphorbia pulcherrima, Poinsettia pulcherrima
Voambolana 

Teny iditra Madagasikara
Singan-teny Madagasikara
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Zana-dohateny Ilay nosy mbola nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny
Mpanoratra Bakke Jon Erik, Randrianirina Philippe, Razafimamdimby Andriamanohisoa
Fanonta printy 1994. Takila: 48.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Teny iditra Madagasikara
Singan-teny Madagasikara
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Mihira anao avokoa, ô ry Madagasikara,
Ny alanao mikirindro L ny ravinala sy akondro,
Ny ravintsara sy rofia, ny tanety tsy hita fara,
Ny tendrombohitra efa konka, lanin-driaka, efa mondro.

Mihira anao izy ireny! Fa izay tsy hita intsony
Ary tsy ahitan-teny dia ireo tanàna fahizay
Lasa haolo, anaty vero, matory fahizay ka tony
Ao anaty hadivory, misaona toa mangaihay.

Miova lasy ny tanàna, mamonjy ireo toeran-donaka !
Eny an-dohasaha indray no misy setroka midonaka,
Ary eny ny korana, miravoravo fahavokarana…

Miova endrika izy ireny ary mbola hiova endrika
Hahitana fiezahana ho amin'ny fonena-mendrika !
Andro vaovao izao fa ny lasa dia nifarana...
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12