|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lelafo
Fototeny  2 lela
Sokajin-teny  3  filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana lelafina [Fitanisana]

Teny iditra (2/2)4  lelafo
Singan-teny  5 lela, 6 afo
Sokajin-teny  7  anarana
Fanazavàna teny malagasy  8 esona (gaz) mirehitra. Hita izany eo amin' ireo fanaovan-jiro etona (gaz d'éclairage sy gaz acétylène, ets.) fa: raha vao vohana hipololotra ny gaza, ka tsoloana afo, dia miredaka. Toy izany koa no mampahery lelafon' irony fatana atao how "primus", satria ny gazan-tsolitany no mirehatra eo. Izany koa no mahatonga ny kitay hazo na ny labozý, ets. hisy lelafo: mamoaka gaza mety mirehitra izy ireny eo am-pirehatana. Ny zavatra sasany kosa -- tahaka ny arin-kazo, na ny faikan' arintany (coke) -- izay efa nesorina na nohakelezina fatratra ny etona mety mirehitra ao aminy -- dia tsy mamoaka lelafo loatra, fa dia mivaivay fotsiny. Ny etona (vapeur) sasany koa, ny elektirisite, dia samy mety hisy lelafo. [1.10#A84]
[lela-afo] 9 Gaza mitarehin-dela mazava sy mafana avy amin' ny zava-mirehitra [1.10#L204]
Fanazavàna teny anglisy  10 a flame, a blaze [1.2#387]
Fanazavàna teny frantsay  11 flammes [1.3]
Ohatra  12  Efa nananika ny rambon-tsalakany ny lelafo. [2.895#177]
13  Ny lelafo|lelafony|lelafon'ny dia lelafo|lelafony|lelafon' midedadeda, eny, lelafo|lelafony|lelafon'n' i Jehovah. [2.996#26.8.6]
14  Raha vohako izy ka tselarako afo dia mamoaka lelafo mivaivay. [2.445#32]
15  Iny nisy lelafo nijoalajoala indray mandeha, dia lavenona no sisa. [2.499#]
16  Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tanana sy rotsa-kazo. [2.470#44]
Haiendriteny 
17  Tsotra :
18  Tovonana :
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08