Teny iditra kamo
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy manana faharisihana hanao fa toa valabalaka ny saina na ny tena: Matetika mitana ny laharana farany ny mpianatra kamo. (Tsy dia azo lazaina mandrakariva ho malaina ny kamo, satria mety mba tahanao asa ihany izy, saingy tsaroany sasatra na trotraka ny tenany).
Mitovy hevitra: benamboka ~ kalaina ~ kamo be kibo ~ kamo be tenda ~ kamo velona ~ kisinina ~ lava lamosina ~ malaina ~ manao afo am-bilanikely ~ manary andro foana ~ midonana-poana ~ mirendrena ~ miriorio ~ mitanina andro tsy manavy ~ mitoe-poana ~ mitoe-poana toa volon' orona ~ mitonantonana ~ mpanao lalimanga ~ mpitango lalitra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Lazy; lacking in appetite [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Paresseux; qui n'a pas d'appétit [1.8]
Ohatra -- Ity leitsy kamo a! [2.470]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra kamo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Bozaka aolanolana atao toa mahazaka makadiry manefitra ny vary tsy hikasika ny aty rindrin' ny lavabary [1.1]
Tovy hevitra kamoladina

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11