Teny iditra Hofa sandrin' ny lanitra
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajaofera Fredy
Lahatsoratra 
Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!

Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
Avia modia, ry oloko, aza mba someby !

Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!

Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
Aty no fitoazana ..., fararano lava,
Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .

Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
Avelao ny havana voa lefona maranitra,
Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !

Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!

Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02