Teny iditra eo
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Milaza toerana akaiky taza-maso ka tondroina, mifamaly amin' ny ao raha tsy taza-maso fa takona: Apetraho eo ambony latabatra ny bokinao. (Apetraho ao an' efitra avaratra ny bokinao)
Matetika no azo averina indroa, aloha sy aorian' ny anarana tondroiny, ny eo: Mipetraha eo ambony seza eo, ary raha milaza ny lasa ny fehezan-teny dia tovonana t izy: Niresaka teo izahay anikeheo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Here (in sight) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ici (visible) [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : eo
Ny lasa : teo
Ny hoavy : ho eo
Sampanteny 
Kamban-teny 
Mpanahaka  etỳ ~ eto ~ eo ~ etsy ~ eny ~ eroa ~ erỳ
  atỳ ~ ato ~ ao ~ atsy ~ any ~ aroa ~ arỳ

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/01