Teny iditra ady varotra
Singan-teny ady ; varotra
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Fifamaliana ataon' ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan' ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mampihena avy hatrany; fifamalian' ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy manana ady varotra aminareo"; [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Disputation as to price, bargaining, stipulating the price. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Marchandage [1.3, 1.5]
 Débat du prix [1.3]
Ohatra 
1Fa izaho tsy manana ady varotra aminy, fa soa ifamaliana ny anay sy ny azy. [2.298]
2Ady varotra lava be, fotoana ifanomeana miverimberina ary amin' ny toerana samy hafa, vao azo ny tapa-damba anankiray. [2.472]
3tsy mahay ady varotra akory hianao (tu ne sais pas marchander) [1.3]
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/01