Fizahan-teny

Ohabolana : Tankay

Ohabolana 1Antakay milañona: tsy ialam-potsy maso. [2.165]
Antankay milanona, tsy ialam-potsi-maso. [1.147 #A75]
Fanazavana malagasyAntankay mivory tsy ialan' izay fotsy maso. Ny mikapo-bary eny am-pamoloana no dia mahafotsy ny mason' ny ankabeazan' ny Antankay (Bezanozano). Saiky fotsy maso an' ila avokoa ny ankamaroan' izy ireny. [2.165]

Ohabolana 2Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo. [1.1]
Fanazavana malagasyOlona mahalala ny ataoko aho. [1.1]

Fizahan-teny