Fizahan-teny

Ohabolana : hamaly

Ohabolana 1Andriamanitra no hamaly ka ho tonga tohatra hiakaranareo any an-[2.415 #3]
Izay homenareo anie dia anjary tohatra hiakaranareo any an-danitra. [2.415 #3]
Dikanteny frantsayQue Dieu vous récompense et que votre offrande devienne l' escalier qui vous fera monter au ciel. [2.415 #3]
Fanazavana frantsayParoles dites par les lépreux lorsqu' ils demandaient l' aumône. [2.415 #3]

Ohabolana 2Bibilava vonoina, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, tsy vava hiteny, fa todin' aina no andrasana. [2.558]
Bibilava vonono : tsy manan-tanana hamaly izy, fa Andriamanitra no andrasana. [2.415 #22]
Bibilava vonono : tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana. [2.415 #22, 2.653 #769]
Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Fanazavana malagasyEntimilaza ny fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro. [1.1]
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. [1.1]
Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. [1.1]
Dikanteny frantsayUn serpent qu' on tue : il n' a pas de mains pour se défendre, mais il compte sur Dieu. [2.415 #22]
Fanazavana frantsayCe proverbe s' appliquait aux petits et aux faibles qui souffrent des oppressions : ils attendent que Dieu leur fasse justice. [2.415 #22]

Fizahan-teny