<-
->

Gal / Ga 6:1 Brethren, if a man be overtaken in a fault, ye which are spiritual, restore such an one in the spirit of meekness; considering thyself, lest thou also be tempted. Ry rahalahy, raha misy olona azon' ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin' ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany. Ry rahalahy, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka hianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon' ny fakam-panahy koa. Frères, même dans le cas où quelqu' un serait pris en faute, vous les spirituels, rétablissez-le en esprit de douceur, te surveillant toi-même, car tu pourrais bien toi aussi être tenté.
Gal / Ga 6:2 Bear ye one another' s burdens, and so fulfil the law of Christ. Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn' i Kristy. Mifampitondrà entana hianareo, dia ho tanterakareo amin' izany ny lalàn' ny Kristy; Portez les fardeaux les uns des autres et accomplissez ainsi la Loi du Christ.
Gal / Ga 6:3 For if a man think himself to be something, when he is nothing, he deceiveth himself. Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany. Car si quelqu' un estime être quelque chose alors qu' il n' est rien, il se fait illusion.
Gal / Ga 6:4 But let every man prove his own work, and then shall he have rejoicing in himself alone, and not in another. Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin' ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin' ny olon-kafa; Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin' ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin' ny an' olon-kafa, Que chacun examine sa propre conduite et alors il trouvera en soi seul et non dans les autres l' occasion de se glorifier ;
Gal / Ga 6:5 For every man shall bear his own burden. fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. satria samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. car tout homme devra porter sa charge personnelle.
Gal / Ga 6:6 Let him that is taught in the word communicate unto him that teacheth in all good things. Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an' izay mampianatra. Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin' ny fananany rehetra. Que le disciple fasse part de toute sorte de biens à celui qui lui enseigne la parole.
Gal / Ga 6:7 Be not deceived; God is not mocked: for whatsoever a man soweth, that shall he also reap. Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin' ny olona no hojinjany. Aza diso hevitra hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina, Ne vous y trompez pas ; on ne se moque pas de Dieu. Car ce que l' on sème, on le récolte :
Gal / Ga 6:8 For he that soweth to his flesh shall of the flesh reap corruption; but he that soweth to the Spirit shall of the Spirit reap life everlasting. Fa izay mamafy ho an' ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin' ny nofo; ary izay mamafy ho an' ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin' ny Fanahy. fa izay afafin' ny olona no hojinjany: izay mamafy ho an' ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin' ny nofo; fa izay mamafy ho an' ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin' ny fanahy. qui sème dans sa chair, récoltera de la chair la corruption ; qui sème dans l' esprit, récoltera de l' esprit la vie éternelle.
Gal / Ga 6:9 And let us not be weary in well doing: for in due season we shall reap, if we faint not. Ary aza mba ketraka amin' ny fanaovan-tsoa isika; fa amin' ny fotoan' andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Aza ketraka amin' ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin' ny fotoana isika raha tsy ketraka. Ne nous lassons pas de faire le bien ; en son temps viendra la récolte, si nous ne nous relâchons pas.
Gal / Ga 6:10 As we have therefore opportunity, let us do good unto all men, especially unto them who are of the household of faith. Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin' ny olona rehetra, indrindra fa amin' ny mpianakavin' ny finoana. Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin' ny olona rehetra, fa indrindra amin' ny havana rehetra iray finoana. Ainsi donc, tant que nous en avons l' occasion, pratiquons le bien à l'égard de tous et surtout de nos frères dans la foi.
Gal / Ga 6:11 Ye see how large a letter I have written unto you with mine own hand. Indro ny havaventin' ny soratra izay soratan' ny tanako ho aminareo. Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan' ny tànako ho aminareo. Voyez quels gros caractères ma main trace à votre intention.
Gal / Ga 6:12 As many as desire to make a fair shew in the flesh, they constrain you to be circumcised; only lest they should suffer persecution for the cross of Christ. Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin' ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian' i Kristy izy. Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforana; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny hazo fijalian' ny Kristy izy. Des gens désireux de faire bonne figure dans la chair, voilà ceux qui vous imposent la circoncision, à seule fin d'éviter la persécution pour la croix du Christ.
Gal / Ga 6:13 For neither they themselves who are circumcised keep the law; but desire to have you circumcised, that they may glory in your flesh. Fa na dia ny tenan' izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin' ny nofonareo. Fa na dia ny tenan' izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforana, dia ny mba hireharehany amin' ny nofonareo. Car ceux qui se font circoncire n' observent pas eux-mêmes la Loi ; ils veulent seulement que vous soyez circoncis, pour se glorifier dans votre chair.
Gal / Ga 6:14 But God forbid that I should glory, save in the cross of our Lord Jesus Christ, by whom the world is crucified unto me, and I unto the world. Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian' i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin' ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin' izao tontolo izao. Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian' i Jeso-Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin' ny hazo fijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an' izao tontolo izao. Pour moi, que jamais je ne me glorifie sinon dans la croix de notre Seigneur Jésus Christ, qui a fait du monde un crucifié pour moi et de moi un crucifié pour le monde.
Gal / Ga 6:15 For in Christ Jesus neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision, but a new creature. Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. Car la circoncision n' est rien, ni l' incirconcision ; il s' agit d'être une créature nouvelle.
Gal / Ga 6:16 And as many as walk according to this rule, peace be on them, and mercy, and upon the Israel of God. Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin' ny Isiraelin' Andriamanitra. Ho an' izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an' ny Israelin' Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! Et à tous ceux qui suivront cette règle, paix et miséricorde, ainsi qu'à l' Israël de Dieu.
Gal / Ga 6:17 From henceforth let no man trouble me: for I bear in my body the marks of the Lord Jesus. Amin' izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik' i Jesosy voatomboka eo amin' ny tenako. Amin' izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik' i Jeso amin' ny vatako aho. Dorénavant que personne ne me suscite d' ennuis : je porte dans mon corps les marques de Jésus.
Gal / Ga 6:18 Brethren, the grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit. Amen. Ho amin' ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan' i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena. Ho amin' ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan' i Jeso-Kristy Tompontsika! Amena. Frères, la grâce de notre Seigneur Jésus Christ soit avec votre esprit ! Amen.

<-
->