<-
->

Lio / Lk 7:1 Now when he had ended all his sayings in the audience of the people, he entered into Capernaum. Ary rehefa vitan' i Jesosy teo anatrehan' ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy. Rahefa tapitra nampandre ny vahoaka izany toriteniny rehetra izany Jeso, dia niditra tao Kafarnaoma. Après qu' il eut fini de faire entendre au peuple toutes ses paroles, il entra dans Capharnaüm.
Lio / Lk 7:2 And a certain centurion' s servant, who was dear unto him, was sick, and ready to die. Ary ny mpanompon' ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Or un centurion avait, malade et sur le point de mourir, un esclave qui lui était cher.
Lio / Lk 7:3 And when he heard of Jesus, he sent unto him the elders of the Jews, beseeching him that he would come and heal his servant. Koa raha nahare ny amin' i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon' ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. Nony nahare ny amin' i Jeso ilay kapiteny, dia naniraka loholon' ny Jody ho any aminy mba hangataka azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ayant entendu parler de Jésus, il envoya vers lui quelques-uns des anciens des Juifs, pour le prier de venir sauver son esclave.
Lio / Lk 7:4 And when they came to Jesus, they besought him instantly, saying, That he was worthy for whom he should do this: Ary rehefa tonga teo amin' i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, Ary rahefa tonga tany amin' i Jeso izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Mendrika hanaovanao izany izy, Arrivés auprès de Jésus, ils le suppliaient instamment : " Il est digne, disaient-ils, que tu lui accordes cela ;
Lio / Lk 7:5 For he loveth our nation, and he hath built us a synagogue. satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika. fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza. il aime en effet notre nation, et c' est lui qui nous a bâti la synagogue. "
Lio / Lk 7:6 Then Jesus went with them. And when he was now not far from the house, the centurion sent friends to him, saying unto him, Lord, trouble not thyself: for I am not worthy that thou shouldest enter under my roof: Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin' ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin' ny tafon-tranoko aho. Dia niara-nandeha tamin' izy ireo Jeso. Fa nony mby teo akaikin' ny trano izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin' ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin' ny tafon-tranoko akory aho; Jésus faisait route avec eux, et déjà il n'était plus loin de la maison, quand le centurion envoya des amis pour lui dire : " Seigneur, ne te dérange pas davantage, car je ne mérite pas que tu entres sous mon toit ;
Lio / Lk 7:7 Wherefore neither thought I myself worthy to come unto thee: but say in a word, and my servant shall be healed. Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko aussi bien ne me suis-je pas jugé digne de venir te trouver. Mais dis un mot et que mon enfant soit guéri.
Lio / Lk 7:8 For I also am a man set under authority, having under me soldiers, and I say unto one, Go, and he goeth; and to another, Come, and he cometh; and to my servant, Do this, and he doeth it. Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin' ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin' ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin' ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: Mandehana, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: Avia, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: Ataovy izany, dia manao izy. Car moi, qui n' ai rang que de subalterne, j' ai sous moi des soldats, et je dis à l' un : Va ! et il va, et à un autre : Viens ! et il vient, et à mon esclave : Fais ceci ! et il le fait. "
Lio / Lk 7:9 When Jesus heard these things, he marvelled at him, and turned him about, and said unto the people that followed him, I say unto you, I have not found so great faith, no, not in Israel. Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin' ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin' ny Isiraely aza. Gaga Jeso nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka azy nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho, na dia tamin' Israely aza. En entendant ces paroles, Jésus l' admira et, se retournant, il dit à la foule qui le suivait : " Je vous le dis : pas même en Israël je n' ai trouvé une telle foi. "
Lio / Lk 7:10 And they that were sent, returning to the house, found the servant whole that had been sick. Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo. Ary nony tafaverina tao an-tranon' ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary. Et, de retour à la maison, les envoyés trouvèrent l' esclave en parfaite santé.
Lio / Lk 7:11 And it came to pass the day after, that he went into a city called Nain; and many of his disciples went with him, and much people. Ary taoriana kelin' izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka. Taorian' izany, dia nankany amin' ny tanàna anankiray atao hoe Naima izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Et il advint ensuite qu' il se rendit dans une ville appelée Naïm. Ses disciples et une foule nombreuse faisaient route avec lui.
Lio / Lk 7:12 Now when he came nigh to the gate of the city, behold, there was a dead man carried out, the only son of his mother, and she was a widow: and much people of the city was with her. Ary rehefa mby teo akaikin' ny vavahadin' ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin' ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan' ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy. Rahefa mby teo akaikin' ny vavahadin' ny tanàna izy, dia indro nisy fatin' ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak' olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Quand il fut près de la porte de la ville, voilà qu' on portait en terre un mort, un fils unique dont la mère était veuve ; et il y avait avec elle une foule considérable de la ville.
Lio / Lk 7:13 And when the Lord saw her, he had compassion on her, and said unto her, Weep not. Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. En la voyant, le Seigneur eut pitié d' elle et lui dit : " Ne pleure pas. "
Lio / Lk 7:14 And he came and touched the bier: and they that bare him stood still. And he said, Young man, I say unto thee, Arise. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Ary nanatona izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy Jeso: Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. Puis, s' approchant, il toucha le cercueil, et les porteurs s' arrêtèrent. Et il dit : " Jeune homme, je te le dis, lève-toi. "
Lio / Lk 7:15 And he that was dead sat up, and began to speak. And he delivered him to his mother. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny. Dia niarina niaraka tamin' izay ny maty, sady niteny, ary nomen' i Jeso an-dreniny. Et le mort se dressa sur son séant et se mit à parler. Et il le remit à sa mère.
Lio / Lk 7:16 And there came a fear on all: and they glorified God, saying, That a great prophet is risen up among us; and, That God hath visited his people. Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an' Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. Tous furent saisis de crainte, et ils glorifiaient Dieu en disant : " Un grand prophète s' est levé parmi nous et Dieu a visité son peuple. "
Lio / Lk 7:17 And this rumour of him went forth throughout all Judaea, and throughout all the region round about. Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin' ny tany manodidina rehetra ny lazan' i Jesosy ny amin' izany zavatra izany. Dia niely eran' i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana azy izany. Et ce propos se répandit à son sujet dans la Judée entière et tout le pays d' alentour.
Lio / Lk 7:18 And the disciples of John shewed him of all these things. Ary ny mpianatr' i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. Nambaran' ny mpianatr' i Joany taminy izany rehetra izany, Les disciples de Jean l' informèrent de tout cela. Appelant à lui deux de ses disciples, Jean
Lio / Lk 7:19 And John calling unto him two of his disciples sent them to Jesus, saying, Art thou he that should come? or look we for another? Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin' ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? ka dia niantso roa lahy tamin' izy ireo izy nalefany ho any amin' i Jeso hanao aminy hoe: Hianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika? les envoya dire au Seigneur : " Es-tu celui qui doit venir ou devons-nous en attendre un autre ? "
Lio / Lk 7:20 When the men were come unto him, they said, John Baptist hath sent us unto thee, saying, Art thou he that should come? or look we for another? Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatý aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: Nirahin' i Joany Batista hankaty aminao izahay hanontany raha hianao no ilay ho avy, na mbola hafa no handrasantsika? Arrivés auprès de lui, ces hommes dirent : " Jean le Baptiste nous envoie te dire : Es-tu celui qui doit venir ou devons-nous en attendre un autre ? "
Lio / Lk 7:21 And in that same hour he cured many of their infirmities and plagues, and of evil spirits; and unto many that were blind he gave sight. Ary tamin' izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin' ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. Tamin' izay indrindra Jeso dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin' ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, A cette heure-là, il guérit beaucoup de gens affligés de maladies, d' infirmités, d' esprits mauvais, et rendit la vue à beaucoup d' aveugles.
Lio / Lk 7:22 Then Jesus answering said unto them, Go your way, and tell John what things ye have seen and heard; how that the blind see, the lame walk, the lepers are cleansed, the deaf hear, the dead are raised, to the poor the gospel is preached. Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin' i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. ka izao no navaliny an' ireto iraka: Mandehana lazao amin' i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torìna amin' ny mahantra ny Evanjely, Puis il répondit aux envoyés : " Allez rapporter à Jean ce que vous avez vu et entendu : les aveugles voient, les boiteux marchent, les lépreux sont purifiés et les sourds entendent, les morts ressuscitent, la Bonne Nouvelle est annoncée aux pauvres ;
Lio / Lk 7:23 And blessed is he, whosoever shall not be offended in me. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. ary sambatra izay rehetra tsy tafintohina noho ny amiko. et heureux celui qui ne trébuchera pas à cause de moi ! "
Lio / Lk 7:24 And when the messengers of John were departed, he began to speak unto the people concerning John, What went ye out into the wilderness for to see? A reed shaken with the wind? Ary rehefa lasa ny irak' i Jaona, dia nilaza an' i Jaona tamin' ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin' ny rivotra va? Nony lasa ny irak' i Joany, dia nambaran' i Jeso tamin' ny vahoaka ny aminy ka hoy izy: Hizaha inona no nalehanareo tany an' efitra? Volotara hozongozonin' ny rivotra va? Quand les envoyés de Jean furent partis, il se mit à dire aux foules au sujet de Jean : " Qu'êtes-vous allés contempler au désert ? Un roseau agité par le vent ?
Lio / Lk 7:25 But what went ye out for to see? A man clothed in soft raiment? Behold, they which are gorgeously apparelled, and live delicately, are in kings' courts. Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon' ny mpanjaka. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon' ny mpanjaka no itoerany. Alors qu'êtes-vous allés voir ? Un homme vêtu d' habits délicats ? Mais ceux qui ont des habits magnifiques et vivent dans les délices sont dans les palais royaux.
Lio / Lk 7:26 But what went ye out for to see? A prophet? Yea, I say unto you, and much more than a prophet. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Alors qu'êtes-vous allés voir ? Un prophète ? Oui, je vous le dis, et plus qu' un prophète.
Lio / Lk 7:27 This is he, of whom it is written, Behold, I send my messenger before thy face, which shall prepare thy way before thee. Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1). Fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra làlana eo alohanao. C' est celui dont il est écrit : Voici que j' envoie mon messager en avant de toi pour préparer ta route devant toi.
Lio / Lk 7:28 For I say unto you, Among those that are born of women there is not a greater prophet than John the Baptist: but he that is least in the kingdom of God is greater than he. Lazaiko aminareo: Amin' izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin' ny fanjakan' Andriamanitra dia lehibe noho izy. Koa lazaiko aminareo fa amin' izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho Joany Batista; nefa izay kely indrindra amin' ny fanjakan' Andriamanitra no lehibe noho izy. " Je vous le dis : de plus grand que Jean parmi les enfants des femmes, il n' y en a pas ; et cependant le plus petit dans le Royaume de Dieu est plus grand que lui.
Lio / Lk 7:29 And all the people that heard him, and the publicans, justified God, being baptized with the baptism of John. Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an' Andriamanitra, satria natao batisa tamin' ny batisan' i Jaona izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin' ny poblikàna aza dia nanamarina an' Andriamanitra, tamin' ny nandraisany ny batemin' i Joany; Tout le peuple qui a écouté, et même les publicains, ont justifié Dieu en se faisant baptiser du baptême de Jean ;
Lio / Lk 7:30 But the Pharisees and lawyers rejected the counsel of God against themselves, being not baptized of him. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan' Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon' i Jaona batisa izy. fa ny Farisiana sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan' Andriamanitra ny aminy, tamin' ny nandavany ny batemin' i Joany. mais les Pharisiens et les légistes ont annulé pour eux le dessein de Dieu en ne se faisant pas baptiser par lui.
Lio / Lk 7:31 And the Lord said, Whereunto then shall I liken the men of this generation? and to what are they like? Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin' ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy? Ary hoy ny Tompo: Hohariko amin' iza re ny olona amin' ity taranaka ity, ary tahaka an' iza izy? " A qui donc vais-je comparer les hommes de cette génération ? A qui ressemblent-ils ?
Lio / Lk 7:32 They are like unto children sitting in the marketplace, and calling one to another, and saying, We have piped unto you, and ye have not danced; we have mourned to you, and ye have not wept. Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo. Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy hianareo; nanao hira izahay mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany hianareo. Ils ressemblent à ces gamins qui sont assis sur une place et s' interpellent les uns les autres, en disant : "Nous vous avons joué de la flûte, et vous n' avez pas dansé ! Nous avons entonné un chant funèbre, et vous n' avez pas pleuré ! "
Lio / Lk 7:33 For John the Baptist came neither eating bread nor drinking wine; and ye say, He hath a devil. Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy. Fa tonga Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: Azon' ny demony izy. " Jean le Baptiste est venu en effet, ne mangeant pas de pain ni ne buvant de vin, et vous dites : "Il est possédé ! "
Lio / Lk 7:34 The Son of man is come eating and drinking; and ye say, Behold a gluttonous man, and a winebibber, a friend of publicans and sinners! Tonga ny Zanak' olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan' ny mpamory hetra sy ny mpanota. Tonga indray ny Zanak' olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan' ny poblikàna sy ny olon-dratsy fiaina. Le Fils de l' homme est venu, mangeant et buvant, et vous dites : "Voilà un glouton et un ivrogne, un ami des publicains et des pécheurs ! "
Lio / Lk 7:35 But wisdom is justified of all her children. Fa ny fahendrena dia hamarinin' ny zanany rehetra. Fa ny Fahendrena efa nohamarinin' ny zanany rehetra. Et la Sagesse a été justifiée par tous ses enfants. "
Lio / Lk 7:36 And one of the Pharisees desired him that he would eat with him. And he went into the Pharisee' s house, and sat down to meat. Ary ny Fariseo anankiray nanasa an' i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon' ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. Nisy Farisiana anankiray nanasa an' i Jeso hiara-hihinana aminy, ka niditra tao an-tranon' ilay Farisiana izy, dia nipetraka nihinana. Un Pharisien l' invita à manger avec lui ; il entra dans la maison du Pharisien et se mit à table.
Lio / Lk 7:37 And, behold, a woman in the city, which was a sinner, when she knew that Jesus sat at meat in the Pharisee' s house, brought an alabaster box of ointment, Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon' ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon' ilay Farisiana Jeso, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, Et voici une femme, qui dans la ville était une pécheresse. Ayant appris qu' il était à table dans la maison du Pharisien, elle avait apporté un vase de parfum.
Lio / Lk 7:38 And stood at his feet behind him weeping, and began to wash his feet with tears, and did wipe them with the hairs of her head, and kissed his feet, and anointed them with the ointment. ary nijanona teo ivohony tanilan' ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin' ny ranomasony sy namaoka azy tamin' ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin' ny menaka manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan' ny tongony sady nitomany ka kotsan' ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin' ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. Et se plaçant par derrière, à ses pieds, tout en pleurs, elle se mit à lui arroser les pieds de ses larmes ; et elle les essuyait avec ses cheveux, les couvrait de baisers, les oignait de parfum.
Lio / Lk 7:39 Now when the Pharisee which had bidden him saw it, he spake within himself, saying, This man, if he were a prophet, would have known who and what manner of woman this is that toucheth him: for she is a sinner. Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. Nony nahita izany ilay Farisiana nanasa azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany izy dia ho nahalala ny toetran' ity vehivavy mikasika azy, fa hoe mpanota io. A cette vue, le Pharisien qui l' avait convié se dit en lui-même : " Si cet homme était prophète, il saurait qui est cette femme qui le touche, et ce qu' elle est : une pécheresse ! "
Lio / Lk 7:40 And Jesus answering said unto him, Simon, I have somewhat to say unto thee. And he saith, Master, say on. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. Ary Jeso niteny taminy nanao hoe: Ry Simona, misy zavatra holazaiko aminao. Dia hoy izy: Lazao, ry Mpampianatra. Mais, prenant la parole, Jésus lui dit : " Simon, j' ai quelque chose à te dire. " - " Parle, maître ", répond-il. -
Lio / Lk 7:41 There was a certain creditor which had two debtors: the one owed five hundred pence, and the other fifty. Nisy roa lahy nananan' ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. Nisy olona roa lahy nananan' ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie diman-jato, ary ny iray dimam-polo. " Un créancier avait deux débiteurs ; l' un devait cinq cents deniers, l' autre cinquante.
Lio / Lk 7:42 And when they had nothing to pay, he frankly forgave them both. Tell me therefore, which of them will love him most? Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin' ireo no ho tia azy indrindra? Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin' izy roa lahy. Koa iza amin' ireo no ho tia azy kokoa? Comme ils n' avaient pas de quoi rembourser, il fit grâce à tous deux. Lequel des deux l' en aimera le plus ? "
Lio / Lk 7:43 Simon answered and said, I suppose that he, to whom he forgave most. And he said unto him, Thou hast rightly judged. Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa, hoy Simona namaly azy. Marina ny anao, hoy izy taminy. Simon répondit : " Celui-là, je pense, auquel il a fait grâce de plus. " Il lui dit : " Tu as bien jugé. "
Lio / Lk 7:44 And he turned to the woman, and said unto Simon, Seest thou this woman? I entered into thine house, thou gavest me no water for my feet: but she hath washed my feet with tears, and wiped them with the hairs of her head. Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin' i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin' ny ranomasony, dia namaoka azy tamin' ny volon-dohany. Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao tamin' i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao aho, fa hianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin' ny ranomasony sy namaoka azy tamin' ny volon-dohany. Et, se tournant vers la femme : " Tu vois cette femme ? dit-il à Simon. Je suis entré dans ta maison, et tu ne m' as pas versé d' eau sur les pieds ; elle, au contraire, m' a arrosé les pieds de ses larmes et les a essuyés avec ses cheveux.
Lio / Lk 7:45 Thou gavest me no kiss: but this woman since the time I came in hath not ceased to kiss my feet. Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr' izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. Hianao tsy nanoroka ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Tu ne m' as pas donné de baiser ; elle, au contraire, depuis que je suis entré, n' a cessé de me couvrir les pieds de baisers.
Lio / Lk 7:46 My head with oil thou didst not anoint: but this woman hath anointed my feet with ointment. Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. Hianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Tu n' as pas répandu d' huile sur ma tête ; elle, au contraire, a répandu du parfum sur mes pieds.
Lio / Lk 7:47 Wherefore I say unto thee, Her sins, which are many, are forgiven; for she loved much: but to whom little is forgiven, the same loveth little. Ary amin' izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin' ny kely dia kely fitiavana. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana. A cause de cela, je te le dis, ses péchés, ses nombreux péchés, lui sont remis parce qu' elle a montré beaucoup d' amour. Mais celui à qui on remet peu montre peu d' amour. "
Lio / Lk 7:48 And he said unto her, Thy sins are forgiven. Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. Dia hoy izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. Puis il dit à la femme : " Tes péchés sont remis. "
Lio / Lk 7:49 And they that sat at meat with him began to say within themselves, Who is this that forgiveth sins also? Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: Iza moa ity no mamela heloka? Et ceux qui étaient à table avec lui se mirent à dire en eux-mêmes : " Qui est-il celui-là qui va jusqu'à remettre les péchés ? "
Lio / Lk 7:50 And he said to the woman, Thy faith hath saved thee; go in peace. Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara. Fa hoy izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana. Mais il dit à la femme : " Ta foi t' a sauvée ; va en paix. "

<-
->