<-
->

Jer / Jr 15:1 Then said the Lord unto me, Though Moses and Samuel stood before me, yet my mind could not be toward this people: cast them out of my sight, and let them go forth. Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy. Fa izao no navalin' ny Tompo ahy: Na Moizy sy Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny fanahiko; roahy hiala eo anatrehan' ny tavako izy, ka aoka handeha! Yahvé me dit : Même si Moïse et Samuel se tenaient devant moi, je n' aurais pas pitié de ce peuple-là! Chasse-les loin de moi qu' ils s' en aillent!
Jer / Jr 15:2 And it shall come to pass, if they say unto thee, Whither shall we go forth? then thou shalt tell them, Thus saith the Lord; Such as are for death, to death; and such as are for the sword, to the sword; and such as are for the famine, to the famine; and such as are for the captivity, to the captivity. Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Izay ho amin' ny areti-mandringana dia ho amin' ny areti-mandringana, ary izay ho amin' ny sabatra dia ho amin' ny sabatra, ary izay ho amin' ny mosary dia ho amin' ny mosary, ary izay ho amin' ny fahababoana dia ho amin' ny fahababoana. Ary raha tahiny izy manao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin' ny Tompo: Ny ho amin' ny fahafatesana, ho any amin' ny fahafatesana; ny ho amin' ny sabatra, ho any amin' ny sabatra; ny ho amin' ny mosary, ho any amin' ny mosary; ny ho amin' ny fahababoana, ho any amin' ny fahababoana. Et s' ils te disent : Où aller? Tu leur répondras : Ainsi parle Yahvé Qui est pour la peste, à la peste! qui est pour l'épée, à l'épée! qui est pour la famine, à la famine! qui est pour la captivité, à la captivité!
Jer / Jr 15:3 And I will appoint over them four kinds, saith the Lord: the sword to slay, and the dogs to tear, and the fowls of the heaven, and the beasts of the earth, to devour and destroy. Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany; Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin' ny Tompo dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin' ny tany, hihinana sy handringana. Je vais préposer sur eux quatre sortes de choses oracle de Yahvé : l'épée pour tuer; les chiens pour traîner; les oiseaux du ciel et les bêtes de la terre pour dévorer et détruire.
Jer / Jr 15:4 And I will cause them to be removed into all kingdoms of the earth, because of Manasseh the son of Hezekiah king of Judah, for that which he did in Jerusalem. Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin' ny fanjakana rehetra amin' ny tany Aho noho ny amin' i Manase, zanak' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema. Hataoko ho zavatra maharikoriko hàlan' ny fanjakana rehetra amin' ny tany izy ireo noho ny amin' i Manase, zanak' i Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà, dia noho ny nataony tany Jerosalema. Je ferai d' eux un objet d'épouvante pour tous les royaumes de la terre, à cause de Manassé, fils d' Ezéchias et roi de Juda, pour ce qu' il a fait à Jérusalem.
Jer / Jr 15:5 For who shall have pity upon thee, O Jerusalem? or who shall bemoan thee? or who shall go aside to ask how thou doest? Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao? Iza ary no hiantra anao, ry Jerosalema? Zovy no higogogogo noho ny manjo anao? Zovy no hivily làlana, hanontany ny amin' ny toetranao? Qui donc a compassion de toi, Jérusalem? Qui donc te plaint? Qui donc fait un détour pour demander comment tu vas?
Jer / Jr 15:6 Thou hast forsaken me, saith the Lord, thou art gone backward: therefore will I stretch out my hand against thee, and destroy thee; I am weary with repenting. Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra. Efa nakifikao aho, - teny marin' ny Tompo, ka lasa nihemotra any hianao; ka indro kosa aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo aho. Toi-même m' as repoussé oracle de Yahvé tu m' as tourné le dos. Alors, j' ai étendu la main contre toi et t' ai détruite Je suis fatigué de consoler!
Jer / Jr 15:7 And I will fan them with a fan in the gates of the land; I will bereave them of children, I will destroy my people since they return not from their ways. Ary kororohiko amin' ny fikororohana izy ho any amin' ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin' ny fanaony mba hiverina izy. Hokororohako amin' ny sahafa fikororohana eo amin' ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin' ny làlany izy. Avec un van je les ai vannés, aux portes du pays. J' ai dépeuplé, j' ai anéanti mon peuple; de leurs voies, ils ne se détournent pas.
Jer / Jr 15:8 Their widows are increased to me above the sand of the seas: I have brought upon them against the mother of the young men a spoiler at noonday: I have caused him to fall upon it suddenly, and terrors upon the city. Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin' ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy aho, ao amin' ny renin' ny mpiady tanora amin' ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po. Leurs veuves sont devenues plus nombreuses que le sable de la mer. Sur la mère du jeune guerrier, j' amène le dévastateur en plein midi, je fais tomber sur elle, soudain, terreur et épouvante.
Jer / Jr 15:9 She that hath borne seven languisheth: she hath given up the ghost; her sun is gone down while it was yet day: she hath been ashamed and confounded: and the residue of them will I deliver to the sword before their enemies, saith the Lord. Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan' ny sabatra eo anoloan' ny fahavalony, hoy Jehovah. Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito, efa hiala aina izy; milentika mbola antoandro ny masoandrony; mangaihay sy safo-kenatra izy. Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan' ny sabatra eo anoloan' ny fahavalony, - teny marin' ny Tompo. Elle languit, la mère de sept fils, elle défaille. Son soleil s' est couché avant la fin du jour la voilà honteuse et consternée; et ce qui reste d' eux, je le livrerai à l'épée, face à leurs ennemis, oracle de Yahvé.
Jer / Jr 15:10 Woe is me, my mother, that thou hast borne me a man of strife and a man of contention to the whole earth! I have neither lent on usury, nor men have lent to me on usury; yet every one of them doth curse me. Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin' ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin' ny olona rehetra ihany aho. Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filana ady amam-pifandirana amin' ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra! Malheur à moi, ma mère, car tu m' as enfanté homme de querelle et de discorde pour tout le pays! Jamais je ne prête ni n' emprunte, pourtant tout le monde me maudit.
Jer / Jr 15:11 The Lord said, Verily it shall be well with thy remnant; verily I will cause the enemy to entreat thee well in the time of evil and in the time of affliction. Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin' ny andro ahitan-doza sy amin' izay andro mahory. Dia hoy Iaveh: Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin' ny andron' ny loza amam-pahoriana. En vérité, Yahvé, ne t' ai-je pas servi de mon mieux? Ne t' ai-je pas supplié au temps du malheur et de la détresse?
Jer / Jr 15:12 Shall iron break the northern iron and the steel? Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina? Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahana? Le fer brisera-t-il le fer du Nord et le bronze?
Jer / Jr 15:13 Thy substance and thy treasures will I give to the spoil without price, and that for all thy sins, even in all thy borders. Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin' ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao; Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao, noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin' ny faritaninao rehetra; Ta richesse et tes trésors, je vais les livrer au pillage, sans contrepartie, à cause de tous les péchés, sur tout ton territoire.
Jer / Jr 15:14 And I will make thee to pass with thine enemies into a land which thou knowest not: for a fire is kindled in mine anger, which shall burn upon you. Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin' ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon' ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany. ary hafindrako miaraka amin' ny fahavalonao, ho any amin' ny tany tsy fantatrao; fa nisy afo nirehitra tamin' ny fahatezerako; dia hirehitra eo amboninareo izy. Je te rendrai esclave de tes ennemis dans un pays que tu ne connais pas, car ma fureur a allumé un feu qui va brûler sur vous.
Jer / Jr 15:15 O Lord, thou knowest: remember me, and visit me, and revenge me of my persecutors; take me not away in thy longsuffering: know that for thy sake I have suffered rebuke. Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa. Mahalala izany hianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho, ary valio izay manenjika ahy. Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy; fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa. Toi, tu le sais, Yahvé! Souviens-toi de moi, visite-moi et venge-moi de mes persécuteurs. Dans la lenteur de ta colère ne m' entraîne pas. Reconnais que je subis l' opprobre pour ta cause.
Jer / Jr 15:16 Thy words were found, and I did eat them; and thy word was unto me the joy and rejoicing of mine heart: for I am called by thy name, O Lord God of hosts. Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan' ny foko; Fa nantsoina tamin' ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan' ny foko, satria nantsoina tamiko ny anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô! Quand tes paroles se présentaient, je les dévorais ta parole était mon ravissement et l' allégresse de mon coeur. Car c' est ton Nom que je portais, Yahvé, Dieu Sabaot.
Jer / Jr 15:17 I sat not in the assembly of the mockers, nor rejoiced; I sat alone because of thy hand: for thou hast filled me with indignation. Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin' ny fivorian' ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan' ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho. Tsy mba nipetraka teo amin' ny fivorian' ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin' ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin' ny tànanao aho, satria nofenoinao hatezerana. Jamais je ne m' asseyais dans une réunion de railleurs pour m' y divertir. Sous l' emprise de ta main, je me suis tenu seul, car tu m' avais empli de colère.
Jer / Jr 15:18 Why is my pain perpetual, and my wound incurable, which refuseth to be healed? wilt thou be altogether unto me as a liar, and as waters that fail? Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana? Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va hianao, ho tahaka ny rano tsy azo itokiana? Pourquoi ma souffrance est-elle continue, ma blessure incurable, rebelle aux soins? Vraiment tu es pour moi comme un ruisseau trompeur aux eaux décevantes!
Jer / Jr 15:19 Therefore thus saith the Lord, If thou return, then will I bring thee again, and thou shalt stand before me: and if thou take forth the precious from the vile, thou shalt be as my mouth: let them return unto thee; but return not thou unto them. Koa izao no lazain' i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin' ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy, Koa izao no lazain' ny Tompo: Raha miverina amiko hianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan' ny tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin' izay tsinontsinona hianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy hianao no hiverina hanatona azy. Alors Yahvé répondit Si tu reviens, et que je te fais revenir, tu te tiendras devant moi. Si de ce qui est vil tu tires ce qui est noble, tu seras comme ma bouche. Eux reviendront vers toi, mais toi, tu n' as pas à revenir vers eux!
Jer / Jr 15:20 And I will make thee unto this people a fenced brasen wall: and they shall fight against thee, but they shall not prevail against thee: for I am with thee to save thee and to deliver thee, saith the Lord. Ary hataoko manda varahina mirova ho amin' ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah; Hataoko manda varahana mafy ho an' ity vahoaka ity hianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin' ny Tompo. Je ferai de toi, pour ce peuple-là, un rempart de bronze fortifié. Ils lutteront contre toi mais ne pourront rien contre toi, car je suis avec toi pour te sauver et te délivrer, oracle de Yahvé.
Jer / Jr 15:21 And I will deliver thee out of the hand of the wicked, and I will redeem thee out of the hand of the terrible. Ary hanafaka anao amin' ny tanan' ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin' ny tanan' ny mpampahory. Hanafaka anao amin' ny tànan' ny ratsy fanahy aho, ary hanavotra anao amin' ny tànan' ny mpanao an-keriny. Je veux te délivrer de la main des méchants et te racheter de la poigne des violents.

<-
->