<-
->

Si 10:1 Ny mpanapaka hendry, mitana ny vahoakany ao anatin' ny fifehezany; ary ny fitondran' ny olo-manan-tsaina dia voalamina tsara. Le sage gouvernant tient son peuple dans la discipline et l' autorité d' un homme sensé est bien établie.
Si 10:2 Araka ny toetry ny filohan' ny vahoaka ihany no toetry ny mpandraharahany; ary araka ny fitondran' ny lehiben' ny tanana ihany no toetry ny mponina ao aminy. Tel le gouvernant et tels ses subordonnés, tel celui qui régit la ville et tels les habitants.
Si 10:3 Ny mpanjaka tsy mahalala, mahavery ny vahoakany, fa mandroso kosa ny tanana amin' ny fahiratan-tsain' ny mpitondra. Un roi sans instruction est la ruine de son peuple, une ville doit sa prospérité à l' intelligence des chefs.
Si 10:4 Eo an-tanan' ny Tompo, ny fahefana hanjaka amin' ny tany, ary amin' ny fotoana mety no ananganany olo-mahay ho eo. Aux mains du Seigneur est le gouvernement du monde; il suscite au bon moment le chef qui convient.
Si 10:5 Eo an-tanan' ny Tompo ny fahombiazan' ny olona; izy no mametraka eo an-kandrin' ny mpitondra ny fahefan-kifehy. Le succès d' un homme est dans la main du Seigneur; c' est lui qui donne au scribe sa gloire.
Si 10:6 Na inona na inona natao taminao tsy an-drariny dia aza mitahiry lolom-po amin' ny namanao, ary aza manao na inona na inona, amin' izay asa fiavonavonana. Ne garde jamais rancune au prochain, quels que soient ses torts, et ne fais rien dans un mouvement de passion.
Si 10:7 Ankahalan' Andriamanitra sy ny olombelona ny fiavonavonana; ary heloka eo anatrehan' izy roa tonta ny tsy fahamarinana. L' orgueil déplaît à Dieu comme à l' homme et tous deux ont l' injustice en horreur.
Si 10:8 Mifindra avy amin' ny firenena iray ho amin' ny firenen-kafa ny fanapahana noho ny tsy fahamarinana, ny fanevatevana, ary ny fitsiriritana ny harena. La souveraineté passe d' une nation à une autre par l' injustice, la violence et l' argent.
Si 10:9 Ahoana ange no iavonavonan' ny vovoka sy lavenona? fa ny rantsam-batany dia asiako fangozohozoana mandritra ny andro iaianany: Pourquoi tant d' orgueil pour qui est terre et cendre, un être qui, vivant, a déjà les tripes dégoûtantes?
Si 10:10 ny aretina, lava, ny mpanao fanafody, mihomehy; ary ny mpanjaka anio ho faty rahampitso. Une longue maladie se moque du médecin, qui est roi aujourd' hui demain mourra.
Si 10:11 Nony maty ny olona, dia ny olitra sy ny biby aman-kankana no anjarany. Quand un homme meurt, il reçoit en partage les insectes, les fauves et les vers.
Si 10:12 Ny fiantombohan' ny fiavonavonana, dia amin' izay isarahan' ny olona amin' ny Tompo, sy amin' izay analavitan' ny fo an' Ilay nanao azy. Le principe de l' orgueil, c' est d' abandonner le Seigneur et de tenir son coeur éloigné du Créateur.
Si 10:13 Satria ny fahotana no fiantombohan' ny fiavonavonana, ary izay miraikitra amin' izany mampiraraka ny fahavetavetana toy ny orana. Izany no anirahan' ny Tompo famaizana mahatalanjona, sy amelezany ny ratsy fanahy fandringanana tanteraka. Car le principe de l' orgueil c' est le péché, celui qui s' y adonne répand l' abomination. C' est pourquoi le Seigneur lui a infligé d'étranges châtiments et l' a réduit à néant.
Si 10:14 Aongan' ny Tompo ny seza fiandrianan' ny mpanapaka, ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy. Le Seigneur a renversé le trône des puissants et fait asseoir à leur place les doux.
Si 10:15 Fongoran' ny Tompo ny fakan' ny firenena, ka ny manetry tena no asosony hisolo azy. Le Seigneur a déraciné les orgueilleux et planté à leur place les humbles.
Si 10:16 Savorovoroin' ny Tompo ny faritanin' ny firenena, ka enjehiny horavana hatramin' ny fiorenan' ny tany. Le Seigneur a bouleversé le territoire des nations et les a anéanties jusqu' aux fondements de la terre.
Si 10:17 Maro no lazoiny, dia aringany ny mponina ao; novonoiny tsy ho amin' ny tany ny fahatsiarovana azy. Il les a quelquefois enlevées et détruites et a effacé du monde leur souvenir.
Si 10:18 Tsy mba natao ho an' ny olona, ny fiavonavonana, na ho an' izay natera-behivavy, ny fahatezerana midaondaona. L' orgueil n' est pas fait pour l' homme ni la violente colère pour la race de la femme.
Si 10:19 Taranaka inona no hajaina? Ny taranak' olombelona. Taranaka inona no hajaina? Izay matahotra ny Tompo. Taranaka inona no tsiratsiraina? Ny taranak' olombelona. Taranaka inona no tsiratsiraina? Izay mandika ny didy. Quelle race est digne d' honneur? La race de l' homme. Quelle race est digne d' honneur? Ceux qui craignent le Seigneur. Quelle race est digne de mépris? La race de l' homme. Quelle race est digne de mépris? Ceux qui violent la loi.
Si 10:20 Hajaina eo amin' ny rahalahiny ny mpitondra azy, toy izany koa eo imason' ny Tompo, izay matahotra azy. Le chef est honoré parmi ses frères, ceux qui craignent le Seigneur sont honorés de lui.
Si 10:21 Na mpanankarena, na andriana, na mahantra, dia ny fahatahorana ny Tompo no voninahiny.
Si 10:22 Tsy rariny ny maniratsira ny mahantra manam-pahendrena; tsy mety ny manaja ny mpanota. Riche, chargé d' honneurs ou pauvre, qu' il mette sa fierté dans la crainte du Seigneur.
Si 10:23 Manan-kaja avokoa ny lehibe, ny mpitsara, ny be fahefana, fa tsy misy lehibe noho ny matahotra ny Tompo amin' izy ireo. Ce n' est pas bien de mépriser un pauvre intelligent, il ne convient pas d' honorer un pécheur.
Si 10:24 Ny olona afaka, dia mpanompon' ny andevo hendry, ary ny olona manan-tsaina, tsy himonjomonjo. Grand, magistrat, puissant sont dignes d' honneur, mais nul n' est plus grand que celui qui craint le Seigneur.
Si 10:25 Aza mampiady karajia raha hanao ny asanao, ary aza mirehareha, amin' ny andron' ny fahorianao. L' esclave sage a les hommes libres comme serviteurs et l' homme instruit ne se plaint pas.
Si 10:26 Aleo ny olona miasa amin' ny zavatra rehetra toy izay ny mitsangantsangana sy be rehaka, nefa tsy manan-kanina. Ne fais pas le malin quand tu accomplis ta besogne, ne fais pas le glorieux quand tu es dans la gêne.
Si 10:27 Anaka, hajao ny fanahinao, amin' ny halemem-panahy, ary omeo azy ny haja mendrika azy. Mieux vaut l' homme qui travaille et vit dans l' abondance que celui qui va se glorifiant et n' a pas de quoi vivre.
Si 10:28 Zovy moa no hanao ho marina izay olona manota amin' ny fanahiny? ary iza no hanaja izay manala baraka ny fiainany? Mon fils, glorifie-toi modestement et apprécie-toi à ta juste valeur.
Si 10:29 Hajaina ny mahantra noho ny fahaizany, ary hajaina ny mpanankarena noho ny hareny. Qui oserait justifier celui qui se fait tort à soi-même et estimer celui qui se méprise?
Si 10:30 Fa izay hajaina ao anatin' ny fahantrana, dia hohajaina manao ahoana kosa ao anatin' ny harena? ary izay afa-baraka ao anatin' ny harena, dia ho afa-baraka manao ahoana kosa raha ao anatin' ny fahantrana? On honore le pauvre pour son savoir et le riche pour ses richesses.
Si 10:31 Honoré dans la pauvreté, que serait-ce dans la richesse! méprisé dans la richesse, que serait-ce dans la pauvreté!

<-
->