<-
->

2M 3:1 Raha mbola tao anatin' ny fandriam-pahalemana tanteraka ny mponina tao amin' ny tanàna masina, sady mbola voatandrina tsara ny lalàna, noho ny fitiavam-bavak' i Oniasa mpisorona lehibe sy ny fankahalany ny ratsy, Tandis que la ville sainte était habitée dans une paix complète et qu' on y observait les lois le plus exactement possible, à cause de la piété du grand prêtre Onias et de sa haine pour le mal,
2M 3:2 na ny tenan' ireo mpanjaka aza nety nanaja ny fitoerana masina, sy nandravaka ny tempoly tamin' ny fanomezana kanto; il arrivait que les rois eux-mêmes honoraient le saint lieu et rehaussaient la gloire du Temple par les dons les plus magnifiques,
2M 3:3 hany ka Seleokosa mpanjakan' i Asia aza no niantoka ny lany rehetra amin' ny fanaovana ny sorona, avy amin' ny zavatra niditra ho azy. si bien que Séleucus, roi d' Asie, couvrait de ses revenus personnels toutes les dépenses nécessaires au service des sacrifices.
2M 3:4 Nisy Simona anankiray izay anefa, avy amin' ny firenen' i Benjamina, voatendry ho mpanapaka ny tempoly, rafitra niady tamin' ny mpisorona lehibe, amin' ny momba ny fitandremana ny tsena ao an-tanàna. Mais un certain Simon, de la tribu de Bilga, institué prévôt du Temple, se trouva en désaccord avec le grand prêtre sur la police des marchés de la ville.
2M 3:5 Tsy afa-nandresy an' i Oniasa izy, ka lasa nankany amin' i Apolloniosa zanak' i Trasea, governoran' i Sele-Siria sy Fenisia momba ny foloalindahy tamin' izany andro izany. Comme il ne pouvait l' emporter sur Onias, il alla trouver Apollonius, fils de Thraséos, qui était à cette époque le stratège de Coelé-Syrie et de Phénicie.
2M 3:6 Nolazainy tamin' io fa ny trano firaketana ao Jerosalema dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy hita pesipesenina, tsy mifanentana velively amin' ny lany amin' ny zavatra ilaina hanaovana sorona, ary azo hafindra ho eo an-tanan' ny mpanjaka avokoa izany rakitra izany. Il rapporta que le trésor de Jérusalem regorgeait de richesses indicibles au point que la quantité des sommes en était incalculable et nullement en rapport avec le compte exigé par les sacrifices : il était possible de les faire tomber en la possession du roi.
2M 3:7 Nony tafaresaka tamin' ny mpanjaka Apolloniosa, nampandrenesiny azy izany harena voalaza taminy izany, ka nanendry an' i Heliodora izay voatendry hitondra ny raharaham-panjakana ny mpanjaka, dia naniraka sy nanome teny an' io haka izany harena voalaza izany. Au cours d' une entrevue avec le roi, Apollonius mit celui-ci au courant des richesses qu' on lui avait dénoncées. Arrêtant son choix sur Héliodore, qui était à la tête des affaires, le roi l' envoya avec ordre de procéder à l' enlèvement des susdites richesses.
2M 3:8 Niainga niaraka tamin' izay Heliodora mody hoe hizahazaha ny tanànan' i Sele-Siria sy Fenisia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony. Aussitôt Héliodore se mettait en route, en apparence pour inspecter les villes de Coelé-Syrie et de Phénicie, en fait pour accomplir les intentions du roi.
2M 3:9 Nony tonga tao Jerosalema Heliodora nandray azy tamim-pitiavana ny mpisorona lehibe tao an-tanàna; dia notantarainy ny zavatra reny; nasehony ny antony nahatongavany; ary nanontaniany na marina tokoa ny zavatra reny, na tsia. Arrivé à Jérusalem, et reçu avec bienveillance par le grand prêtre et par la ville, il fit part de ce qu' on avait dévoilé et manifesta le but de sa présence, demandant ensuite si véritablement il en était ainsi.
2M 3:10 Ka nasehon' ny mpisorona lehibe taminy, fa zavatra napetraky ny mpitondratena sy ny kamboty no ao amin' ny rakitra; Le grand prêtre lui représenta que le trésor contenait les dépôts des veuves et des orphelins
2M 3:11 ny sasany koa an' i Hirkana zanak' i Tobia, lehilahy manan-kaja indrindra; ary tsy izay nolazain' i Simona mpanendrikendrika mankahala fivavahana akory no tena toe-javatra, fa ny tontalin' ny harena ao dia talenta volafotsy efa-jato, sy talenta volamena roan-jato; et une somme appartenant à Hyrcan, fils de Tobie, personnage occupant une très haute situation, et qu'à l' encontre de ce que colportait faussement l' impie Simon, il y avait en tout 400 talents d' argent et 200 talents d' or;
2M 3:12 sady tsy azo atao velively ny mamabo ny an' ireo natoky noho ny fahamasinan' io fitoerana io, sy noho ny fiambonian' ny tempoly, tsy azo inaikanaikana, hajaina eran' izao tontolo izao. qu' au reste il était absolument impossible de faire tort à ceux qui s'étaient confiés à la sainteté de ce lieu, à la majesté et à l' inviolabilité d' un Temple vénéré dans le monde entier.
2M 3:13 Nilaza mihitsy anefa izy io, noho ny didy azony tamin' ny mpanjaka, fa tsy maintsy hoentina ho any an-trano firaketan' ny mpanjaka izany vola izany. Mais Héliodore, en vertu des ordres qu' il avait reçus du roi, soutenait absolument que ces richesses devaient être confisquées au profit du trésor royal.
2M 3:14 Koa rahefa noferany ny fotoan' andro, dia handeha hiditra izy hizaha izany harena izany, alohan' ny hanapahany izay hanaovany azy; ka tabataba lehibe no velona tao an-tanàna manontolo noho izany. Au jour fixé par lui, il entrait pour dresser un inventaire de ces richesses. Une grande anxiété régna dans toute la ville.
2M 3:15 Niankohoka teo anoloan' ny otely ny mpisorona, nitondra ny akanjony fisoronana, niandrandra ny lanitra, nivavaka amin' ilay nanao ny lalàna momba ny zavatra napetraka, mba hitehirizany tsy misy afaka izany harena izany ho an' izay nametraka azy. Revêtus de leurs habits sacerdotaux, les prêtres, prosternés devant l' autel, invoquaient le ciel, auteur de la loi sur les dépôts, le priant de conserver ces biens intacts à ceux qui les avaient déposés.
2M 3:16 Voatsindrona lalina indrindra ny fo, raha nijery ity tarehin' ny mpisorona lehibe, fa niseho tamin' ny endriny sy ny fiovan' ny tarehiny, ny fanahiana nanjò ny fanahiny. A voir l' aspect du grand prêtre, on ne pouvait manquer de sentir une blessure jusqu' au fond du coeur, tant son air et l' altération de son teint trahissaient l' angoisse de son âme.
2M 3:17 Ny fahatrotrahana niseho tamin' ny tenany manontolo sy ny fangovitry ny vatany koa dia nampiharihary ny fahorian' ny fony, teo imason' ny olona rehetra. En proie à la frayeur et au tremblement dans tout son corps, cet homme manifestait à ceux qui le regardaient la souffrance installée dans son coeur.
2M 3:18 Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony, dia niara-nivavaka avokoa, mba tsy hihatra amin' ny fitoerana masina izato fanalam-baraka. Des gens se précipitaient par groupes hors des maisons pour prier tous ensemble parce que le saint lieu était menacé d' opprobre.
2M 3:19 Ny lalambe rakotry ny vehivavy, voatafy malailay ny tratrany; izay zazavavy nihiboka dia nidodododo koa, ny sasany nankeo am-baravarambe, ny sasany nankeny amin' ny manda, ny sasany kosa nijery teo am-baravarankely, Les femmes, ceintes de sacs au-dessous des seins, remplissaient les rues; les jeunes filles qui étaient tenues à la maison couraient, les unes aux portes, les autres sur les murs, certaines se penchaient aux fenêtres
2M 3:20 samy nanandra-tànana mankany an-danitra nandefa fitarainana. toutes, les mains tendues vers le ciel, proféraient leur supplication.
2M 3:21 Nampangorakoraka ny hareraham-pon' ireto vahoaka nifanjevo, sy ny fanahian' ity mpisorona lehibe feno tebiteby. C'était pitié de voir la prostration confuse de la multitude et l' appréhension du grand prêtre en proie à une grande inquiétude.
2M 3:22 Ny Jody tamin' izany nitaraina tamin' ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra, hitahiry tsy ahafahana, sady tsy hisy hahakasika azy, ny zavatra napetraka mba ho an' izay nametraka azy. Pendant que d' un côté on demandait au Seigneur tout-puissant de garder intacts, en toute sûreté, les dépôts à ceux qui les avaient confiés,
2M 3:23 Heliodora kosa efa nanatanteraka ny fikasany. Tamin' izy mbamin' ny mpanaraka azy efa mby teo akaikin' ny trano firaketana, Héliodore, d' autre part, exécutait ce qui avait été décidé.
2M 3:24 no nanaovan' ny Tompon' ny fanahy sy mpanapaka ambonin' ny fahefana rehetra fampisehoana lehibe, hany ka izay rehetra sahy nankeo, azon' ny herin' Andriamanitra, tsy nanan-kery hahavita na inona na inona, sady nivadi-po avokoa. Il était déjà là avec ses satellites, près du Trésor, lorsque le Souverain des Esprits et de toute Puissance se manifesta, avec un tel éclat que tous ceux qui avaient osé entrer là, frappés par la force de Dieu, se trouvèrent sans vigueur ni courage.
2M 3:25 Niseho teo imason' izy ireo ity soavaly taingenan' olona mahatsiravina, ary voarakotra lamba sarobidy, miezaka mirimorimo, nampitsikaroka ny tongony anoloana, teo ambonin' i Heliodora; ary toa fiadiana volamena no hita teny amin' ilay mpitaingin-tsoavaly. A leurs yeux apparut un cheval monté par un redoutable cavalier et richement caparaçonné; bondissant avec impétuosité, il agitait contre Héliodore ses sabots de devant. L' homme qui le montait paraissait avoir une armure d' or.
2M 3:26 Niaraka tamin' izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy, feno herim-po, namirapira-pahazavana lehibe, nitondra akanjo kanto loatra; teo an-daniny avy izy no nijoro, dia nikapoka azy tsy an-kijanona, nataony vely kary. Deux autres jeunes hommes lui apparurent en même temps, d' une force remarquable, éclatants de beauté, couverts d' habits magnifiques; s'étant placés l' un d' un côté, l' autre de l' autre, ils le flagellaient sans relâche, lui portant une grêle de coups.
2M 3:27 Niankarapoka tampoka tamin' ny tany Heliodora sady voahodidin' ny aizim-pito, dia notakonana natao teo amin' ny filanjana anankiray, Héliodore, soudain tombé à terre, fut environné d'épaisses ténèbres. On le ramassa pour le mettre dans une litière,
2M 3:28 ka ilay lehilahy, vao avy niditra tao amin' ny efitrano nisy ny rakitra voalaza, notronin' ny mpihazakazaka sy ny mpiambina mitam-piadiana rehetra, dia indro nobetaina tsy nahazaka tena, hita maso ho nidonan' ny herin' Andriamanitra. et cet homme, qui venait d' entrer dans la chambre dudit Trésor avec un nombreux entourage et tous ses gardes du corps, fut emporté, incapable de s' aider lui-même, par des gens qui reconnaissaient ouvertement la souveraineté de Dieu.
2M 3:29 Dieny mbola teo ihany izy, nianjeran' ny kapoky ny herin' Andriamanitra, miampatra tsy mahateny, mamoy fo sy tsy manan-kamonjy intsony; Pendant que cet homme, sous le coup de la puissance divine, gisait sans voix, privé de tout espoir et de tout secours,
2M 3:30 ny Jody kosa nisaotra ny Tompo, fa nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary ny tempoly izay vao teo no teo no feno fivadiam-po sy fikorontanana, tonga feno hafaliana amam-piravoravoana, noho ny fanehoana nataon' ny Tompo tsitoha. les autres bénissaient le Seigneur qui avait miraculeusement glorifié son saint lieu. Et le sanctuaire, qui un instant auparavant était plein de frayeur et de trouble, fut, par la manifestation du Seigneur tout-puissant, débordant de joie et d' allégresse.
2M 3:31 Niaraka tamin' izay, ny sasany tamin' ireo naman' i Heliodora nangataka tamin' i Oniasa hivavaka amin' ny Avo indrindra sy hamelona an' itsy mitsitra eroa, efa tsy misy afa-tsy aina kely foana. Certains des compagnons d' Héliodore s' empressèrent de demander à Onias de prier le Très-Haut et d' accorder la vie à celui qui gisait n' ayant plus qu' un souffle.
2M 3:32 Ary ny mpisorona lehibe natahotra fandrao ny mpanjaka hihevitra ny Jody ho nitady hamono an' i Heliodora, ka dia nanolotra sorona ho an' ny ain-dralehilahy. Dans la crainte que le roi ne soupçonnât par hasard les Juifs d' avoir joué un mauvais tour à Héliodore, le grand prêtre offrit un sacrifice pour le retour de cet homme à la vie.
2M 3:33 Mbola manolotra sorona fifonana eo ny mpisorona, dia niseho tamin' i Heliodora indray ireo zatovo, nitondra ny akanjony teo ihany, ary nitsangana izy no nilaza taminy hoe: Omeo fisaorana lehibe Oniasa mpisorona lehibe, fa noho izy ihany no amelan' ny Tompo anao ho velona. Alors que le grand prêtre offrait le sacrifice d' expiation, les mêmes jeunes hommes apparurent à Héliodore revêtus des mêmes habits, et, se tenant debout, lui dirent : "Rends mille actions de grâces au grand prêtre Onias, car c' est en considération de lui que le Seigneur t' accorde la vie sauve.
2M 3:34 Fa hianao kosa, rahefa nofaiziny toy izao, torio amin' ny olona rehetra ny fahefan' Andriamanitra lehibe. Nony voalazany ireo teny ireo, dia lasa tsy hita intsony izy. Quant à toi, ainsi fustigé du Ciel, annonce à tous la grandeur de la force de Dieu." Ayant dit ces paroles, ils disparurent.
2M 3:35 Nanatitra sorona ho an' ny Tompo Heliodora sy nanao voady lehibe tamin' ilay namelona ny ainy. Rahefa izany, nanome toky an' i Oniasa fa hihavana aminy izy; dia niverina niaraka tamin' ny miaramilany, ho any amin' ny mpanjaka. Héliodore, ayant offert un sacrifice au Seigneur et fait les plus grands voeux à celui qui lui avait conservé la vie, prit amicalement congé d' Onias et revint avec son armée auprès du roi.
2M 3:36 Ary nataony tsara laza tamin' ny olona rehetra ny asan' Andriamanitra lehibe hitany maso. Il rendait témoignage à tous des oeuvres du Dieu très grand qu' il avait contemplées de ses yeux.
2M 3:37 Nanontanian' ny mpanjaka an' i Heliodora, izay olona tokony hirahina ho an' i Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy: Au roi lui demandant quel homme lui paraissait propre à être envoyé une fois encore à Jérusalem, Héliodore répondit
2M 3:38 Raha manana fahavalo na rafilahy amin' ny fanjakana hianao, dia izay hirahina any, fa ho kotiky ny kapoka izy, vao ho tafaverina aty aminao, raha tany ka mba afaka ihany; fa misy hery avy amin' Andriamanitra marina amin' io fitoerana io. "Si tu as quelque ennemi ou quelque conspirateur contre l' Etat, envoie-le là-bas et il te reviendra déchiré par les fouets, si toutefois il en réchappe, car il y a vraiment pour le lieu saint une puissance toute particulière de Dieu.
2M 3:39 Ilay manana ny fonenany any an-danitra no miambina io fitoerana io, ka izay tonga any manan-kevitra ratsy, dia asiny sy ataony levona mihitsy. Celui qui a sa demeure dans le ciel veille sur ce lieu et le protège; ceux qui y viennent avec de mauvais desseins, il les frappe et les fait périr."
2M 3:40 Izany no zava-nitranga momba an' i Heliodora, sy ny nahatanana ny rakitra masina. C' est ainsi que se passèrent les choses relatives à Héliodore et à la sauvegarde du trésor sacré.

<-
->