<-
->

2M 13:1 Tamin' ny taona fahasivy amby efapolo amby zato, ren' i Jodasa sy ny namany fa tamy hamely an' i Jodea Antiokosa Eopatora mitondra miaramila maro; L' an 149, la nouvelle parvint à Judas qu' Antiochus Eupator marchait sur la Judée avec une troupe nombreuse
2M 13:2 ary Lisiasa mpiahy amam-pandraharahany koa, nanaraka azy; izy roa lahy samy nitarika tafika greka, izay nisy miaramila an-tongotra iray alina amby iray hetsy, an-tsoavaly telon-jato amby dimy arivo, elefanta roa amby roapolo, ary kalesy misy antsy lava telon-jato. et accompagné de son tuteur Lysias, qui était à la tête des affaires; il avait une armée grecque de 110.000 fantassins, 5.300 cavaliers, 22 éléphants et 300 chars armés de faux.
2M 13:3 Nikambana tamin' izy ireo koa Menelasa sady namporisika an' i Antiokosa tamim-pihatsaram-belatsihy lozan-tany, tsy mba ho famonjena ny tanindrazany anefa, fa noho ny fanantenany haverina amin' ny voninahiny indray. Ménélas se joignit à eux et se mit à circonvenir Antiochus avec beaucoup d' astuce, non pour le salut de sa patrie, mais avec l' espoir d'être rétabli dans sa dignité.
2M 13:4 Kanjo kosa, nampirehetin' ilay Mpanjakan' ny mpanjaka, tamin' io tsy miroso-doza io, ny fahatezeran' i Antiokosa, fa nasehon' i Lisiasa tamin' ny mpanjaka fa Menelasa no fototr' izao loza rehetra izao, ka nasain' i Antiokosa nentina any Berea izy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin' izany fitoerana izany. Mais le Roi des rois éveilla contre ce scélérat la colère d' Antiochus et, Lysias ayant démontré au roi que Ménélas était la cause de tous les maux, Antiochus ordonna de le conduire à Bérée et de l' y faire périr suivant la coutume du lieu.
2M 13:5 Fa nisy tilikambo anankiray tao, dimam-polo hakiho ny hahavony, feno lavenona voaisy milina mihodina eny an-tampony, ka hatraiza hatraiza, dia nampisisika ao anaty lavenona. Il y a en ce lieu une tour de cinquante coudées, pleine de cendre, munie d' un dispositif circulaire qui, de tout autour, faisait tomber dans la cendre.
2M 13:6 Ao no famarinan' ny vahoaka ao Berea ny olo-meloka nanao halatra sakrilezy, na diso tamin' ny heloka bevava sasany hafa koa. C' est là qu' on fait monter l' homme coupable de pillage sacrilège ou de quelques autres forfaits énormes et qu' on le précipite pour le faire périr.
2M 13:7 Toy izany no nahafatesan' i Menelasa, ilay mpivadika ny lalana, ary rariny loatra ny tsy nandevenana azy. Tel fut le supplice dont mourut le prévaricateur, et Ménélas ne fut même pas enterré,
2M 13:8 Fa nanota imbetsaka tamin' ny otely izy, izay madio ny afo aman-davenony, ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana. et cela en toute justice, car il avait commis beaucoup de péchés contre l' autel dont le feu et la cendre étaient purs, et c' est dans la cendre qu' il trouva la mort.
2M 13:9 Dia nandroso ny mpanjaka; feno hevitra barbariana ny sainy, vonon-kamely mafy ny Jody mihoatra noho ny nataon-drainy izy. Le roi s' avançait donc, l' esprit hanté de desseins barbares, pour faire voir aux Juifs des choses pires que celles qui leur étaient advenues sous son père.
2M 13:10 Vao nahalala izany Jodasa dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman' alina mba hovonjeny amin' izao indray koa ireto olona Judas, l' ayant appris, prescrivit au peuple d' invoquer le Seigneur jour et nuit pour que, cette fois encore, il vînt au secours
2M 13:11 fa hoesorina amin' ny lalana, amin' ny tanindrazany, amin' ny tempoly masina; ary mba tsy havelany ho latsaka eo am-pela-tanan' ny firenena mankahala ny fivavahana ity vahoaka vao teo no nahita hiainana. de ceux qui allaient être privés de la Loi, de la patrie et du sanctuaire sacré, et qu' il ne laissât pas ce peuple, qui commençait seulement à reprendre haleine, tomber au pouvoir des nations de triste renom.
2M 13:12 Nony efa niara-nivavaka toy izany sy nitaraina tamin' ny Tompo mpamindra fo izy rehetra nanao an-dranomaso sy nifady hanina sady nandohalika tsy tapaka nandritra ny hateloana, dia namporisihin' i Jodasa izy ireo ary nasainy hiomana mba ho vonona. Lorsqu' ils eurent tous exécuté cet ordre avec ensemble et imploré le Seigneur miséricordieux avec des larmes et des jeûnes, prosternés pendant trois jours continus, Judas les encouragea et leur enjoignit de se tenir prêts.
2M 13:13 Ka niresaka manokana tamin' ny loholona izy aloha, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka, hitondra ny tafiny hiditra an' i Jodea, sy hahafaka an' i Jerosalema, fa hiroso miaraka amin' izay sy hamita ny raharaha amin' ny amin' ny fanampian' ny Tompo. Après un entretien particulier avec les Anciens, il résolut de ne pas attendre que l' armée royale envahît la Judée et devînt maîtresse de la ville, mais de se mettre en marche et de décider de toute l' affaire avec l' assistance du Seigneur.
2M 13:14 Koa nankininy tamin' ny Nahary an' izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran' ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin' ny fahafatesana, ho an' ny lalana, ho an' ny tempoly, ho an' ny tanana masina ary ho an' ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin' ny manodidina an' i Modina ny tafiny. Ayant donc remis la décision au Créateur du monde, exhorté ensuite ses compagnons à combattre généreusement jusqu'à la mort pour les lois, pour le sanctuaire, la ville, la patrie et les institutions, il fit camper son armée aux environs de Modîn.
2M 13:15 Izao aloha ny baiko nomeny: Fandresena amin' ny alalan' Andriamanitra, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin' ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin' ny alina ny lain' ny mpanjaka, nahafaty efatra arivo lahy izy tao an-toby; fanampin' ireo koa ny lehibe indrindra tamin' ny elefanta, mbamin' ny miaramila nentiny tao amin' ny tilikambo. Quand il eut donné aux siens comme mot d' ordre : "Victoire de Dieu" , il attaqua avec une élite de jeunes braves la tente du roi pendant la nuit. Parmi les hommes campés, il en tua environ deux mille et ses gens transpercèrent le plus grand des éléphants avec son cornac;
2M 13:16 Hany ka nataony safotry ny fivadiham-po amam-pifanaritahana ny tao an-toby, vao nialany tamim-pahombiazana tanteraka. ils remplirent finalement le camp d'épouvante et de confusion et se retirèrent avec un plein succès,
2M 13:17 Fa vita tomombana ny natao, vao nazava ratsy ny andro, noho ny fiarovana nomban' ny Tompo an' i Jodasa. alors que déjà le jour commençait à poindre. Et cela se fit grâce à la protection dont le Seigneur couvrait Judas.
2M 13:18 Nony nahatsapa ny herim-pon' ny Jody toy izany ny mpanjaka, dia izay hahazoana an-kafetsena ny tanàna indray no nandramany. Le roi, ayant tâté de la hardiesse des Juifs, essaya d' attaquer les places au moyen d' artifices.
2M 13:19 Niroso hamely an' i Betsora tanàna mimanda mafy an' ny Jody izy, kanjo voatosika, tsy nahomby, resy. Il s' approcha de Bethsour, forteresse puissante des Juifs, mais il était repoussé, mis en échec, vaincu.
2M 13:20 Nandefasan' i Jodasa izay nilainy ireo nafahirano tamin' izany. Judas fit passer aux assiégés ce qui leur était nécessaire,
2M 13:21 Radokosa isan' ny tafiky ny Jody kosa anefa nilaza ny zava-miafina tamin' ny fahavalo; natao ny famotorana dia azo izy, ka natao an-tranomaizina. mais Rodokos, de l' armée juive, dévoilait les secrets aux ennemis : il fut recherché, arrêté et exécuté.
2M 13:22 Nifandrindra fanindroany tamin' ireo nafahirano ny mpanjaka, ka nanolotra tànana azy ireo, sy nandray ny azy, dia nihataka; Pour la seconde fois, le roi parlementa avec ceux de Bethsour; il leur tendit la main, prit la leur, se retira,
2M 13:23 namely ny mpiadin' i Jodasa izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiokia, Filipo ilay navelan' i Epifana ho lohan' ny raharaha, ka niraviravy tànana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina, attaqua Judas et ses hommes et eut le dessous. Il apprit que Philippe, laissé à la tête des affaires, avait fait un coup de tête à Antioche. Bouleversé, il donna aux Juifs de bonnes paroles, vint à composition, jura de garder avec eux toutes les conditions justes. Après cette réconciliation, il offrit un sacrifice, honora le Temple et fut généreux envers le lieu saint.
2M 13:24 ary noraisiny tsara Makabeo sady napetrany ho governoran' ny miaramila hatrany Ptolemaisa ka hatrany amin' ny Gereniana. Il fit bon accueil à Maccabée et laissa Hégémonide stratège depuis Ptolémaïs jusqu' au pays des Gerréniens.
2M 13:25 Kanjo nony tonga tao Ptolemaisa ny mpanjaka, nasehon' ny mponina tao ny fahasosorany noho ny fanekena, fa nahatezitra azy izany, sy tsy tiany akory ny hanatanteraka ny zavatra tapaka ao aminy. Il se rendit à Ptolémaïs, mais les habitants de cette ville, n' agréant pas ce traité, s' en indignaient fort et voulurent en violer les conventions.
2M 13:26 Ka niakatra teo amin' ny fipetrahan' ny mpitsara Lisiasa niaro ny fanekena araka izay azo atao, dia nitaona sy nandamina tsara ny fon' ny olona, vao niainga ho any Antiokia. Toy izany no nalehan' ny famelezana sy fihatahan' ny mpanjaka. Alors Lysias monta à la tribune, défendit de son mieux ces conventions, persuada les esprits, les calma, les amena à la bienveillance et partit pour Antioche. Il en alla ainsi de l' offensive et de la retraite du roi.

<-
->