Teny iditra |
zahatra
|
Sokajin-teny | anarana
|
Tovy hevitra ara-paritany | godony,
kodony,
lakakihefo,
lakatalatala,
zahatra,
zahatse,
zahitra,
zahitre
|
Fanazavàna teny malagasy | Vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano:
Nita tamin'ny zahatra ny mpianatra ka horakoraka moa izao! [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | A raft [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Radeau [1.3, 1.8]
|
Ohatra |
1 | Koa dia ny tafontrano no niendahany natao zahatra.
[2.508]
|
2 | Tapatapa-karefo momba zahatra tapatapa-jozoro momba lakana sarony aho fa kely angalaro fitia aho fa an'olona
[2.131]
|
3 | Foana ny fiainana tsy misy azy, ary toy ny zahatra avalan' ny rano ny olombelona tsy voizin' izany fitiavana izany.
[2.529]
|
|
Voambolana |
Tsipelina hafa |
Ohabolana |
|