|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  taratra
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny mpanao :
4  Matoantenin' ny iharana :
5  Matoantenin' ny fameno :
6  Anarana :
7  Mpamaritra :
Voambolana  8  Fizìka
Fanazavàna teny malagasy  9  fitaratra [Bezanozano, Sihanaka] [1.78]
10  Hazavana alefana zavatra miantefa amin' ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin' ny lakana
11  Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo
12  Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin' ny elakelaky ny rantsantanana
13  Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14  a beam of light; a reflection [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15  rayon de lumière; lumière réfléchie [1.8]
16  radiation, irradiation, reflet [1.13]
Ohatra  17  Hita taratra amin' ny fihetsiny ny haalinan-tsain' I Saonina. [2.470]
18  Iny fiara iray nandefa taratra mahery vaika no nitsilo ny fidolany. [2.529]
Kamban-teny 
Lohateny 

Teny iditra (2/4)22  taratra
Sokajin-teny  23  anarana
Voambolana  24  Haizavamaniry
Fanazavàna teny frantsay  25  (mis pour ataratra : abat-jour ; tout ce qui filtre les rayons du soleil). Suivant les régions les Sakalava prononcent souvent taratse ou taratsy, ce qui a donné lieu à plusieurs graphies, que nous ne reproduirons pas. Phoenix reclinata var. madagascariensis Becc. (Arecaceae). Espèce voisine du dattier. Mais le fruit à pulpe très mince est loin d'avoir la même valeur alimentaire. Le bourgeon terminal est un bon chou palmiste. Les segments des feuilles sont souvent utilisés en sparterie, notamment pour faire des parasols et les abats jour, d'où le nom malgache. [Sakalava] [1.196]
Tsipelina hafa  26  taratse, taratsy
Anarana ara-tsiansa 

Teny iditra (3/4)28  Taratra
Singan-teny  29  taratra
Sokajin-teny  30  anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra  31  Ratsifandrihamanana Clarisse
Mpanonta printy  32 

Teny iditra (4/4)33  Taratra
Sokajin-teny  34  anarana (gazety)
Voambolana  35  Mpanonta printy, gazety
Mpanonta printy  36 

Fivaditsoratra  37  Taratra, taratra, Taratra, taratra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/16