|
|
|
|

Teny iditra 1  voangona
Fototeny  2 angona
Sokajin-teny  3  matoanteny mpamaritra lasa
Haiendriteny 
4  Ny lasa :
Fanazavàna teny malagasy  [1.1#83]
Fanazavàna teny anglisy  5 collected (by some one), assembled, congregated. [1.2#49]
Fanazavàna teny frantsay  6 qu'on a assemblé [1.3#47]
Ohatra  7  Tamin'izay dia voangona tafaray Manandriana, Isandra, Lalangina ary Iarindrano. [2.508]
8  Ny zaza kamboty, izay voangona eto Antananarivo, izay velomin' ny mpiadidy azy. [2.59]
9  Ny lehilahy no mivoaka mitady lalam-bola, anaka, fa ny vehivavy mampirina ny voangona eto an-toerana, hoy rainy. [2.643]
10  Ary voaangona any amin' ny razany koa izany taranaka izany; [2.996]
11  Mamadika ny fahalalana voaangona ho fiasana sy fitao-vana ny mpahay tao. [2.445]
12  Alin-dririnina mamifirifiry , itampodian'ny vakivakim-pitia tsy voaangona. [2.944]
Tsipelina hafa  13 voaangona

Fivaditsoratra  14 avongano, voangona

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22