Teny iditra vilany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra fandrahoantsakafo, mety ho vy na tany: Ny vilany tany izay natokana ho fandrahoan-daoka dia natao hoe "nongo". [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A cooking pot, a kettle or casserole [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Marmite [1.3, 1.8, 1.13]
 Pot, casserole [1.8]
Ohatra 
1Rehefa nitatao vovonana ny andro, dia tafaverina izy mianaka, ka samy navesatra nitondra fotsimbary sy vilany ary vilia sy sotro; [2.324]
2"hetsehina kely ny vilany angalana ny ao am-bilany ho any ny olona maikia handeha [2.48]
3Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo, dia hindaosin'ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina. [2.996]
Haiendriteny 
Tsotra : vilany, vilaniko, vilaninao, vilaniny, vilanintsika, vilaninay, vilaninareo, vilanin', vilanin-, vilanim-
Tovonana : -bilany, -bilaniko, -bilaninao, -bilaniny, -bilanintsika, -bilaninay, -bilaninareo, -bilanin', -bilanin-, -bilanim-
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/13