Teny iditra tohanana (tohana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana zava-misakana tsy hianjera: Tokony hotohanana ity andry ity fa toa malemy
Tantanana tsy hianjera: Tohano io marary io fa fanina
Sakanana tsy ho avy: Moa ve azo tohanana tokoa ny havandra?
Sakanana: Notohanany aho tsy hiditra, ka lasa nisintona amim-pahendrena.
Ampiana: Notohanany ny kamboty sy mananotena fahavelony [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tohanana, tohanako, tohananao, tohanany, tohanantsika, tohananay, tohananareo, tohanan', tohanan-, tohanam-, tohana-
Ny lasa : notohanana, notohanako, notohananao, notohanany, notohanantsika, notohananay, notohananareo, notohanan', notohanan-, notohanam-, notohana-
Ny hoavy : hotohanana, hotohanako, hotohananao, hotohanany, hotohanantsika, hotohananay, hotohananareo, hotohanan', hotohanan-, hotohanam-, hotohana-
Filaza mandidy : tohano
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20