Teny iditra solo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra na olona ampiasaina hanao asa nataon' ny hafa: Rakoto no solon' ny mpampianatra anay lasa / Lay no natao solon' ny trano
Olona voatendry hiteny na hanatrika amin' ny anaran' ny hafa (solontena no tena fampiasa amin' io hevitra io): Dia niteny ny solon' ny lehiben' ny Governemanta
Onitra: Inty misy zavatra kely ho solon' ny bokinao veriko [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A substitute [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Un remplaçant, un substitut, un représentant
Compensation, ce qui se donne, se paie à la place d’une autre chose [1.3]
 Remplacement, substitut [1.8]
  [1.13]
Ohatra 
1Ary ankehitriny, gadralava atao solo ny sazy. [2.48]
2ary dia ny omby no haniny ny otona, solo ny zaza maty. [2.48]
Haiendriteny 
Tsotra : solo, soloko, solonao, solony, solontsika, solonay, solonareo, solon', solon-, solom-
Tovonana : -tsolo, -tsoloko, -tsolonao, -tsolony, -tsolontsika, -tsolonay, -tsolonareo, -tsolon', -tsolon-, -tsolom-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Solony sy sariny (Ramangamalefaka)
Mpanahaka  iraka ~ masoivoho ~ andrianjahonoany ~ fara ~ fara aman-dimby ~ taranaka ~ taranjana ~ tamingana ~ kolokolo ~ mpamelo-maso ~ fanovan' ny maty ~ vato namelan-kafatra ~ tarana-boanjo ~ fokom-boanemba ~ kolokolo dimbin' ny vary ~ solofo dimbin' ny ala ~ akalana silaky ny hazo ~ papango sasaky ny vorona ~ vorom-panova hena ~ fandrotrarana an-tanàna haolo ~ akanga sisa nanamborana ~ tapa-porohana sisa tsy may
Ohabolana 

Teny iditra solò
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Hiran' olon-tokana [1.1]
Ny fihaviany Frantsay: solo.
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/08