Teny iditra sokoina (soko)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Idirana an-tsokosoko: Nosokoin' ny fahavalo ny tanàna
Atao mangingina: Nosokoiny moramora tao ny fianarana ka azony ny voalohany
Angalarina na simbana tsy misy mahita: Nosokoin' ny ankizy ny paison-dRabe
Tratra, voa tsy nanampo, notampohina: Nosokoin' ny divay i Noe ka mamo
Mitovy hevitra: sovohina [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait, qu'on donne, qu'on prend, qu'on vole à la dérobée, en cachette; que le sommeil, que le rhum surprend: Nosokoin' ny fahavalo ny tananàna (Les ennemis sont entrés à la sourdine dans le village) ~ Nosokoiko ny fiasa ny tanimbariko (J'ai travaillé ma rizière à la dérobée) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sokoina, sokoiko, sokoinao, sokoiny, sokointsika, sokoinay, sokoinareo, sokoin', sokoin-, sokoim-, sokoi-
Ny lasa : nosokoina, nosokoiko, nosokoinao, nosokoiny, nosokointsika, nosokoinay, nosokoinareo, nosokoin', nosokoin-, nosokoim-, nosokoi-
Ny hoavy : hosokoina, hosokoiko, hosokoinao, hosokoiny, hosokointsika, hosokoinay, hosokoinareo, hosokoin', hosokoin-, hosokoim-, hosokoi-
Filaza mandidy : sokoy
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/05