Teny iditra sinola (sola)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Voasola, solaina, atao tonga sola, tsisy volo: nosinolan' ny ankizy ilay akoholahin' i zoky [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Rendu chauve, dont on a rasé la tête, auquel on a arraché les plumes, les poils sur la tête, dont on a enlevé le sommet [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sinola, sinolako, sinolanao, sinolany, sinolantsika, sinolanay, sinolanareo, sinolan', sinolan-, sinolam-
Ny lasa : nosinola, nosinolako, nosinolanao, nosinolany, nosinolantsika, nosinolanay, nosinolanareo, nosinolan', nosinolan-, nosinolam-
Ny hoavy : hosinola, hosinolako, hosinolanao, hosinolany, hosinolantsika, hosinolanay, hosinolanareo, hosinolan', hosinolan-, hosinolam-
Tovy hevitra voasola

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20