Teny iditra sambatra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy
Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany
Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Blessed, happy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Heureux, béni [1.8]
Ohatra Nahatsiaro ho sambatra ery izahay mianakavy nony nandry voalohany tamin' ny tranonay vaovao. [2.472]
Sampanteny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Teny iditra sambatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka, Tanala] Fora, famorana [1.78]
  [Taisaka] Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazalahy rehetra teraka ao anatin' ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Circoncision [1.13]
Mpanahaka  didiam-poitra ~ fora ~ foza ~ savatse ~ hasoavana ~ tapakanake

Teny iditra sambatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahandro katsaka amin' ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31